miandrandra ilay fanampiana omen’ny FID. Taorian’ny Fokontany Ambaniavatra Fenoarivo dia nahazoana fitarainana ihany koa ny Fokontany Ambohidrapeto Itaosy. Olona 220 isa monja tamin’ireo 700 isa nanaovana fanadihadiana mantsy raha araka ny loharanom-baovao voaray no mba nisitraka izany. Ankoatra izay hoy ireo mponina dia sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo tsy nahazo ireo toy ireo zokiolona sy vehivavy mananontena. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo moa ny lisitra mirakitra ny anaran’ireo nahazo izany. Niala maina toy ny takotra kosa ireo tsy tao anaty lisitra izay nitokona nanoloana ny biraom-pokontany mihitsy tsy nisy azo natao. Efa nasaina nanao sonia mantsy hono izy ireo, sonia tsy fantatra hoe : hanaovana inona ? Tsiahivina moa fa sahirana ihany koa ny ankamaroan’ireo olona tsy nahazo teny Fenoarivo izay efa nanaovan’ny mponina fitarainana saingy tsy nahazoam-baliny hatreto.
Pati
Legende : Nidina nitety tokantrano tahaka izao mihitsy ny solontenan’ny FID saingy ireo tena sahirana indray no taraiky !
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny