tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Nohamarinin’ny tantaram-pirenena izany. Nifandimby nampahatsiahy ireo mpandinika isan-tokony fa tsy nifanaraka ary mbola tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny fandaharam-pianarana eto hatramin’izao. Nianatra izany hoe “Nos ancêtres les gaulois” izany ireo razambentsika kanefa ireo dia razamben’ny mpanjanaka na frantsay. Ny sivilizasionina ejipsianina, ny drafitra Marshall, ny mikasika an’i Japon sy ny toy izany no tena nibahana ny fandaharam-pianarana ho an’ny ambaratonga faharoa taty aoriana, raha ny mikasika ny taranja tantara no ambara. Firifiry moa ireo raiamandreny nanao antsoavo fa tokony averina anaty fandaharam-pianarana eny amin’ny ambaratonga fototra mihitsy ny fanabeazana maha olompirenena na “éducation civique”? Dia sahin’ireo mpitondra nifandimby, indrindra, fa ny hatramin’izao ve no miala fa tsy vokatry ny tsy fanomezany lanja ny fanabeazana teto amin’ity firenena ity no mahatonga ireny tsy fanajana tontolo iainana, fanaovana havoretrana, fanarinariana fako eny rehetra eny mitranga eo amin’ireo olompirenena hatramin’izao? Hevirina fa nisy ampahana fanabeazana ho an’ny olompirenena tsy nentin’ny mpanohitra na mpisehatra politika ary sehatra maro samihafa tao anatin’izany saingy raha mbola mahakasika ny olana isan-tsehatra mitranga eto amin’ny firenena no resahana, indrindra, izay lafiny mahakasika ny fanabeazam-pirenena izay dia tsy afa-miala ny mpitondra.
J. Mirija
Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana
Vary mitentim-bidy 300 tapitrisa Yen any ho any izay hampiasaina amin'ny fanohanana ny tsena misy
Eo amin’ny 9,5% ny fiakarana eo amin’ny tontolon’ny fambolena andrandrain’ny Fanjakana Malagasy