airtel

Sosialy

19-déc-2023

Globo vision sy VAHT

“Mila malagasy tsy maintsy miasa vao mihinana isika!”

Sample post image

Marobe ny olona manam-pahaizana ao Toliara, hoy ny Vovonana andao hampandroso an’i Toliara

19-déc-2023

na VAHT. Manana “licence” na “Maîtrise” nefa lasa mpitarika posy, hoy ny fanazavana. Zava-dehibe, noho izany, ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Globo vision développement à Madagascar sy ny VAHT izay hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka sy fampananan’asa. Isaorana ireo filoha am-boninahitra miisa 2 dia ireo nanorina ny orinasa, Jean Nirina Rafanomezantsoa sy Julia Michaella Rasolofonoroniaina na Mishah. Mangataka ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, mba hanantanteraka ny teniny hoe hijery ny tanora sy ny vehivavy ary hanome asa. Tsy manavaka izay te hiditra eto anivon’izao tetikasa izao izahay fa na iza vonona dia raisinay, hoy hatrany ny VAHT. Tsy maintsy ny vahoaka no hetsehina, hoy kosa ny filoha am-boninahitra, Jean Nirina Rafanomezantsoa, satria teo amin’ny tantaram-pirenena malagasy dia ny vahoaka no matetika natory. Tsy tokony hiandry toloram-potsiny fa mila miray hina. Tsy misy vahoaka te hijaly izany. Izany no antony ifotoranay amin’ny fambolena izay mifototra amin’ny rano, zezika, masomboly. Mila malagasy tsy maintsy miasa vao mihinana sy mampiroborobo ny zava-misy eto Madagasikara isika, hoy hatrany ny Globo vision sy VAHT!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique