airtel

Sosialy

06-sept-2024

Grevin’ny FOFIFA

Miandry ny vahaolana nampanatenaina vao tena hiato…

Sample post image

Niditra tamin’ny andro faha-23 omaly ny grevin’ny mpiasan’ny FOFIFA

06-sept-2024

Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra). Niroso tamin’ny Fivoriambe izy ireo omaly 05 septambra ka nandritra izany no nanapahana sy nampitana fa: "Tanteraka avokoa ny fihaonana tamin'ireo Raiamandreny afaka manatanteraka ny fitakian'ny mpiasa dia ny hanesorana eo amin'ny toerany ny Tale Jeneraly am-perinasa noho ireo antony maro isan-karazany izay ananana porofo sy afaka hijoroan'ireo vavolombelona maro. Efa nanome toky izy ireo fa tsy hitazam-potsiny izao olana lalovan'ny FOFIFA izao fa mangataka kosa ny hanesorana ireo sora-baventy na « banderoles » manamarika izany fitakiana izany mialohan'ny hivoahan'ny fanapahan-kevitra mba ho famahàna ny olana, hoy ny tatitra. Noho izany, nanapa-kevitra ny fivoriambe fa: voalohany, hoesorina aloha ireo « banderoles » ireo saingy ny fitokonana dia ho tohizana amin'ny endriny hafa manomboka amin'ny alatsinainy 09 Septambra. Faharoa, na dia miandry am-pitoniana izany fanapahan-kevitry ny Raiamandreny izany aza ny mpiasa dia nanapaka kosa fa mandritra ny fotoana voafetra ihany aloha izany ka ho ampanarahana amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha, raha ny tatitra. Andrasana indray izany ny fivoarany ato ho ato !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap