airtel

Sosialy

21-août-2024

Hahavita tena ara-bary ny 2024, hanondrana ny 2025…

Hijanona ho revin-gadra hatrany sa tena hivadika asa?

Sample post image

Raha mahomby ny paik’ady dia ho tratra fahavitan-tena ara-bary izay novinavinana amin’ity taona 2024 ity,

21-août-2024

ary mety afaka manomboka manondrana vary i Madagasikara manomboka ny taona 2025, araka ny seraseram-panjakana. 6 tapitrisa taonina vary akotry no fanamby napetraka ho an’ny 2024, ka ny fampiharana ny SNDR III na ny Paikady Nasionaly hoan’ny fampandrosoana ny famokarana andiany fahatelo no fitaovana enti-manatratra izany. Fepetra ambara fa hampahomby an’io ny fampitomboana 1.680.000 ha ny faritra fambolena vary amin’ny tanimbary an-tanety ary 563.347 ha amin'ny fambolena vary an-tanety. Mitaky fampiasana masomboly tsara kalitao 64,534 taonina sy masomboly voamarina 12,907, miampy ny fampiasana zezika mineraly 392,335 taonina ary zezika organika 392,335 taonina. Voka-bary milanja 8.000.000 taonina no antenaina ho aterak’ireo fepetra ireo, izay ahazoana ambim-bary fotsy 1.327.437 taonina amin'ny taona 2027, raha tokony manodidina ny 4 tapitrisa taonina ny filana ara-bary amin’io vanim-potoana io, araka ny kajikajin’ny Fanjakana. Misy fepetra hafa takiana ankoatra ireo toa ny fampihenana ny tahan’ny vokatra very aorian’ny vanim-potoana fijinjana, ny fanamorana ny vidin’ny zezika sy masom-boly voafatina, tsara kalitao ary voamarina. 3500ar ny vidin’ny io masomboly ilaina io ny taona 2022-2023, raha ny tatitra hatrany.
RESABE NO BETSAKA HATRIZAY, LAHARAM-PAHAMEHANA SADASADA
Zava-dehibe ny finiavana hitodika amin’ny famokarana avy ato anatiny, ary tsy vao sambany no niresahana fahavitan-tena ara-bary, fahavitan-tena ara-tsakafo,… fa zary resaka ambony latabatra no betsaka. Ambanin-javatra ny resaka fambolena sy famokarana, nihazakazahana ny tetikasa kirendrarendra sy mambotry firenena, raha tsy hilaza afatsy ny teleferika izay efa nanaovantsika kajikajy teto fa ny 153 tapitrisa euros trosa ampibabena Malagasy amin’io, izay manome 750 na 800 miliara Ar eo, dia ahafahana mividy traktera miisa 12 500 isa raha sandaina 60 000 000Ar ny iray, ka raha zaraina amin’ny kaominina 1695 dia manana 7 na 8 eo isaky ny kaominina. Aleon’ny Fanjakana anefa teleferika tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny Malagasy izay mety fokontany 15 no lalovany. Ohatra iray iny, fa betsaka ireo endrika tsy fahaiza-mifidy ny laharam-pahamehana. Raha tao anatin’ny 6 taona nitondrana ve no nitodika tamin’ny famokarana tokoa ka nohajariana ny tanimbary sy tanimboly mbola azo volena, nomena tantsoroka sy notohanana ny tantsaha manerana ny Nosy,… tsy mba efa mioty ny vokatra isika izao ? Moa tsy ny fanafarana avy any ivelany toy ny vary sy entana ilaina andavanandro no nanaovana serasera tamin’ny hoe : afaka manafatra sambo 20 fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra ? Moa tsy ny kivarivary mora nanjifana ny vokatry ny tantsaha Pakistanais, Indianina,… no nireharehana ho fandrosoana ? Aleo tokoa angamba tara toy izay tsy misy ka asa na mbola serasera hatrany no betsaka na mba tena hiova ho asa azo tsapain-tanana !? Efa betsaka mantsy izay nolazaina izay toy ny angovo 400MW anatin’ny 5 taona, autoroute 80km hatramin’ny faran’ny taona 2023,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap