Afrika i Madagasikara teo anelanelan’ny 2020-2022, araka ny fanamafisan’ny Sampan-draharaha eran-tany mikasika ny fanjarian-tsakafo sy ny fambolena na ny FAO, notaterin’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. Teo amin’ny 37% ny PoU (Taux de Prévalence de la sous-alimentation) ny taona 2013 kanefa tafakatra 51% izany nandritra ny 2020-2022. Nandritra ny andiany faha-33 tamin’ny fikaonandoham-paritry ny FAO ho an’i Afrika natao tamin’ny volana aprily teo no nivoahan’ity tatitra ity. Tao anatin’io vanim-potoana io noho izany, dia i Madagasikara no nanana taha ambony indrindra tamin’io « PoU » io taty Afrika eo amin’ny resaka fanjarian-tsakafo maneran-tany sy rejionaly, araka ny antontan’isa notaterin’ny FAO izay rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana. Marihina fa ity « PoU » ity dia nijerena ny tahan’ny mponina miainga amin’ny fihinanany sakafo mahazatra azy izay kely ka tsy hahafahany mitondra sy mamorona hery na « apport énergetique ». Raha aty Afrika dia miovaova araka ny firenena ka eo anelanelan’ny 2,5% (Algérie) hatramin’ny 51% (Madagasikara) io tsy fahampian-tsakafo io. 46% io any Lesotho, ary 49% ny any Centrafrique, raha toa ka 38% any Guinée-Bissau sy Libéria ary Zimbabze. Ny 1 /3n’ny mponina no notombonanan’ny FAO ho tratry ny tsy fahampian-tsakafo any RD Congo, Mozambique, Ouganda, Tchad tamin’ny 2022. Ambanin’ny 5% kosa io ho an’ny any Algérien Ghana, Seychelles, ary Tunisie. Mbola nanamafy an’io ny tondro maneran-tany momba ny hanohanana na GHI (Indice Mondial de la Faim) ho an’ny taona 2023 izay navoakan’ny WHH (welthungerhilfe), nanasokajy an’i Madagasikara ho firenena faharoan’ny faran’ny farany (faha-124 amin’ny 125) izany hoe : firenena isan’ireo ianjadian’ny hanohanana indrindra eto ambonin’ny tany. Mipetraka hatrany noho izany ny fanontaniana hoe : inona no tena dikan’ilay amboara nireharehan’ny fitondrana Rajoelina tamin’ny desambra 2022 fa azony ny amboara maha tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ? Sao dia mba tompondakan’ny hanohanana no tena izy ? Vao tapa-bolana ihany koa izay ilay kabary tany tany amin’ny pilopitran’ny IDA (International Development Association) niantso ny fampitomboana ny famatsiam-bola samihafa mikasika ny hanohanana sy fanjarian-tsakafo izay toa mamatotra hatrany ny mpitondra. Aiza ho aiza amin’izany ihany koa ny fahamarinan’ilay nolazainy fa 42% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo saingy nihena ho 38% tao anatin’ny 5 taona nitondrany ? Manam-bola tsy toko tsy forohana hanaovana kianja etsy sy eroa isika, afaka mitrosa 150 tapitrisa euros hanaovana teleferika,… fa ny vahoaka heverina hisitraka ireny noana sy mosary sady tsy ampy vary no tsy ampy laoka no tsy ampy rano fa indrindra tsy misy vola,… Izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
Sary : PAM Madagascar
Hita mibaribary ny tsy fahaizantsika malagasy, indrindra, ny mpanohitra, ny atao hoe politika tamin’ity taona 2024 ity,
Amin'izao fotoana izao, dia tsy vitsy ireo orinasa tsy miankina izay manao tolotra miavaka mba hatao fanomezana
Niteraka fitohanana goavana teny amin’ny digy Andohatapenaka omaly Alatsinainy 23 Desambra