airtel

Sosialy

05-août-2024

Hetsika «Mii’zara hafanana»

Tsy manan-kialofana 300 mahery nisitraka fanampiana

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo ny hetsika «Mii’zara hafanana», izay nizaran’ny fikambanana Mii’zara

05-août-2024

ankanjo mafana sy fanampiana samihafa ho an’ireo sahirana eto Antananarivo. Nahatsiarovana manokana ireo tsy manan-kialofana ny hetsika, hoy ny filohan’ny Mii’zara, Fafah Rarivo. Izay tsirambin’ny tanana rehetra ahafahana manampy ny mpiara-belona toy ny lamba, akanjo, sakafo no natao, hoy izy. Mbola betsaka moa ireo ankizy nanala bakalorea farany teo dia nezahina notontosaina taorian’izay bakalorea izay mihitsy izao hetsika izao. Ny taona 2019 no tafatsangana ara-dalàna ny Mii’zara. Manasoa ny mpiara-belona, mamolavola ny olona rehetra ho tonga olom-banona no tanjona. Tsy manosi-boho-tanana fa vonona hiara-hiasa amin’izay te hanasoa ny mpiara-belona rehetra izahay. 300 isa mahery eo no tsy manan-kialofana sy sahirana nezahina hisitraka izay fanampiana izay. Ireto fanampiana ireto dia tena avy aminay manokana sy ireo mpiara-miombon’antoka vitsivitsy, hoy hatrany ny filohan’ny Mii’zara. Liana amin’ny resaka fanampiana ny mpiara-belona izahay, hoy kosa ny teo anivon’ny Unity agency Madagascar, izay sampana filatroana na «agence de mannequinat» niara-niombon’antoka tamin’ity hetsika ity. Tanora efa niaina tanatin’ny fahantrana ny tena, hoy ny tale jeneralin’izy ireo, Rabearinosy Nathan. Tia manome fifaliana ho an’ny olona tsy nahita izany atao hoe fifaliana izany ihany koa, hoy izy. Niainga teo Behoririka, nitohy tany Analakely sy nihazo iny Tsiazotafo iny no nankany nankany moa ny hetsika, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap