hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa! Miakatra daholo, hoy izy, izao ny vidin’ireo filàna amin’ny fambolena. Tamin’ny fihaonan’ny rosianina sy afrikanina tany Rosia dia niteny ny rosianina hoe isan’ny mpamokatra zezika betsaka indrindra eran-tany izy ka izay mila zezika, indrindra, firenena mahantra dia azony omena izany maimaimpoana fa manao fangatahana. Ny fitondràna eto nefa moa tombontsoa frantsay no arovany. Miteny i Lafrantsa hoe miady amintsika ny rosianina ka tsy mila zezika any isika fa isika efa misy mpamatsy zezika dia tsy misy «rupture de stock» na fahalaniam-bokatra any ka aleo any no mividy. Vokany, any amin’ny 6000 Ariary ny kilaon’ny zezika. Raha mba tonga teto izany ny zezika avy any Rosia ka namidy 1000 Ariary ny kilao ka nanana vola 10.000 Ariary ianao dia nahazo 10kilao. Afaka nampitombo ny vokatra ny tantsaha. Ny sinoa izany izao hoe hanampy amin’ny resaka vary metisy na vary safiotra sy zezika. Alaivo an-tsaina fa isika izao efa mandeha ny taom-pambolena. Vary safiotra izany mbola mila haitao tekinika sy mbola mila ampianarina. Efa tara, noho izany, izany. Tamin’ny volana janoary tamin’ny taon-dasa no tokony nifandaminana mikasika izany. Isan’ny olantsika izay fanaovana zavatra tsy ara-potoana izay dia toy ny manaotao foana ihany. Efa dila io ny taom-pambolena ka tsy mety intsony izany raha tsy amin’ny herintaona indray. Indrindra amin’izao toetr’andro miova izao, efa aty amin’ny volana novambra isika izao mbola tsy misy rotsak’orana, tsy misy orana artifisialy mba nomanina akory, efa sarotra dia sarotra izao ny hambolena vary, katsaka, fihinana rehetra eto Madagasikara. Hanafatra entana indray isika, raha sanatria, nefa ny volantsika mitotongana, ny vary eran-tany miha lafo dia vao mainka ho fesina eto. Mikasika ny hoe nahena ny tetibolan’ireo rafi-panjakana sy minisitera samihafa hanavotana ny JIRAMA, tsy dia hita hoe inona moa izany no zava-dehibe hiova amin’izany? Ny tetibola nampiasaina hatramin’izay aza tsy ampy. Mankany amin’ny biraon’ny zandary ianao na kaominina sy ny toy izany dia ianao no miantoka taratasy hanoratana zavatra. Toy izany koa ny any amin’ny tribonaly dia izao izany dia hoe mbola ahena indray nefa ilay tetibolam-panjakàna. Asa izay iainan’ireny minisitera isan-karazany ireny amin’izay fotoana izay! Raha ho antontona any amin’ny famokarana aza ilay vola dia vola kely izany 10% izany. Ny fiharian-karena eto Madagasikara mihitsy no tsy mandeha amin’ny laoniny. Fiharian-karena matiantoka lava dia lasa ilay toe-bolan’ny firenena mihitsy no tsy izy. Ilay fitantanana ny firenena mihitsy tsinona no tsy ao. Tonga amin’ilay fitenenana hoe ny tarehy no ratsy dia ny volo no aholankolana. Ny zezika lafobe. Ny haitao tekinika tsy misy. Tsy manana vola firy ampiasaina afa-tsy hiasana sisa ny tantsaha, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.
Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony