Namoaka fanambarana indray ny JIRAMA omaly fa misy ireo toerana sasantsasany iharan'ny πππ‘ππππ©ππ‘ππ§-π£π’π«π¨ indray noho ππ§ππ¨π§π² ππ«π-πππ€π§π’π€π izay tsy misy ifandraisany amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby. Anisan’izany ny π¨πππππππππππ(π¨πππππ) ,π¨πππππππππππ, π¨ππ
πππππ, π³π π―ππππ πππππ, π΄ππππππππππ
πππ, π¨πππππππππππππππ,π¨ππππππππππ, π¨ππ
πππππππ
ππ, π΄ππππππππππππ, π΄πππππππ,π»πππππππππ,π¨ππππ
πππππππππ, πͺπ¨π·πΊπ¨π»,ππππ
πππππ πππππππππππ -π¨ππππππππππππππ -π¨ππππ
πππππππππ -πΊπππππππππ - π΅ππππππππ - π΄ππππππππ - πππππππ - π¨ππ
ππππ
ππ -π¨ππππ
πππππ -π΄πππππππ -π΄ππππππππππππ-π΄ππππ
ππππππ -π¨πππππππππ -π¨πππππππ -π¨ππ
ππππ'π π΄πππ
ππππππ -πͺπππΜ π¨πππππππ -π¨πππππππππ
ππππ -π¨πππππππππ -π¨ππ
ππππππππ -π©πππππππ π¨ππππππππππππ -π¨ππππ
ππππππ -π©ππππππππ - π¨πππππ
πππ -π΄ππ π¬ππππππ -π¨πππππ
ππππππππ -π¨πππππππππππππ -πΉππ
ππ πππππππ -π¨πππππππππ -π°πΊπ» π¨πππππππππ -π΄πππππ - πͺπππΜ π΄ππππππππ π΅πππππππ - π΄πππππππππππ -π¨πππππ
ππππππππ – π»ππππππππππππ. Nilaza koa moa izy ireo fa efa an-dalam-panarenana ny tsy fahatomombanana ny teknisiana ka rehefa vita ny asa dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana voalaza ireo.
MISY VOKA-DRATSY AMIN’NY ASA SY FIHARIANA
Tsiahivina moa fa efa betsaka ireo onjampeo sy fahitalavitra manana « émetteur » eny amin’iny faritra ambony iny no toko olana na tena tsy mandeha intsony mihitsy vokatr’ireo fahatapahan-jiro lavareny maro isan-tsokajiny io. Misy voka-dratsy any amin’ny asa sy ny fihariana ary ny fiainana amin’ny ankapobeny ny tsy fahafehezana ny fitsinjarana herinaratra ity ary efa tena tsy misy izay tsy mikaikaika, hatramin’ireo artista malaza fanaraky ny tanora ankehitriny aza dia misy tena tafateny mahery mihitsy maneho hevitra anaty facebook satria ao anatin’ny 24 ora kosa ve, dia 4 ora no mbamandeha ny jiro sy ny rano.Miisy toerana sasany aza tahaka ny eny Ivato eny, efa ho 1 volana tsy misy rano.Mitaraina ireo mponina fa tena tonga amin’ilay fitenana hoe : misy mihaino ve oooo…, hany ka nikaroka vahaolana hafa izy ireo fa tsy hiandry ny jirama efa tsy hita atao inona io intsony. Ambarao aminay ny tena marina fa aza izahay no adalainareo isan’andro eto, hoy ny hafatry ny mpanjifa maro amin’ny Jirama, voakasik’izany ihany koa moamazava ho azy ny ministeran’ny angovo
Nangonin’i Pati
Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikanβAtsimondrano
Mahatratra 69% ny tahanβny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra
Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina