airtel

Sosialy

05-sept-2024

Komity iombonan'ny mpiasa malagasy

"Atao mahita ny fitondrana rehefa tsy mihaino!"

Sample post image

Atao mahita ny fitondrana rehefa tsy mihaino, hoy ny KIMM na Komity iombonan'ny mpiasa malagasy,

05-sept-2024

raha nanao fanambarana tetsy amin'ny Tsiky Restaurant Ambohijatovo omaly. Ho hitan'izy ireo tokoa amin'ny faha 7 septambra izao eny Antsahamanitra, hoy ny KIMM, fa marary tokoa ny tontolon'ny asa eto Madagasikara izay voa 3 fa tsy voa 2 intsony satria voa amin'ny resaka karama, voa amin'ny resaka fitaterana ary voa amin'ny resaka tsy fandriampahalemana. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara. Mahantra ny mpiasa malagasy. Tonga ny fotoana hametrahana ny mpiasa malagasy amin'ny toerana mendrika sy sahaza azy. Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataony ny 2 aogositra 2024, ny KIMM, izay ahitana ireo sendikan'ny mpiasa miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana, ny mpiasa mahaleotena, ny tantsaha, ny tsy an'asa, ny mpanjifa, ny mpiasam-panjakana misotro ronono ao amin'ny CNaPs dia hanatanteraka fihaonamben'ny mpiasa malagasy ny sabotsy 7 septambra 2024 izao eo amin'ny Kianja maitson'Antsahamanitra manomboka amin'ny 9 ora maraina. Hatokana ho an'ny mpiasa iraimanontolo ny sehatra mba hanambarany ny marary azy any amin'ny toerana iasany sy hanolorany izay sosokevitra sy vahaolana mifanojo amin'izany. Ny mpandrindra no mandravina ny fehinkevitra. Hatsangana ny delegasionina ahitana solontenan'ireo mpivondrona rehetra. Io delegasionina io no mitondra ny fehinkevitra any amin'ny praiminisitra lehiben'ny governemanta, ireo mpiara-miombon'antoka toy ny banky iraisampirenena, ny FMI, ny vondrona eoropeanina, ny firenena mikambana, ny PNUD. Mila mijoro ny mpiasa malagasy ary asaina ho tonga maro eo Antsahamanitra ny sabotsy 7 septambra izao. Tsy mety ny miandry ny hafa hitolona ho anao fa mandraisa anjara feno ho anao sy ny hoavin'ny taranakao, hoy hatrany ny KIMM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap