airtel

Sosialy

15-nov-2024

Komity iombonan’ny mpiasa malagasy

«Ravao ny governemanta, tendreo ny fiarahamonim-pirenena!»

Sample post image

Nanao fanambaràna tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly ny KIMM na Komity

15-nov-2024

iombonan’ny mpiasa malagasy fa marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Mahantra ny mpiasa malagasy, hoy ny filohan’izy ireo, Dr Jules Randriamaholison. Vao mainka, hoy izy, miha maizina ny tontolon’ny mpiasa malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny governemanta ankehitriny. Tsy misy vahaolana hanamaivanana sy hanalefahana ny fahantran’ny mpiasa malagasy toy ny fampidinana ny vidim-piainana sy ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 1 tapitrisa Ariary no misy fa fanapahan-kevitra mamono ny sosialy sy mamono ny ekonomia. Isany ny fanombinana ny vola tokana ho fampiroboroboana fampianarana, izay fanabadoana tsotra izao ny zanaka malagasy. Faharoa ny fampiakarana ho 20% ny solika ampiasain’ireo orinasa lehibe izay mety hitarika fikatonan’ny orinasa ka ho betsaka indray ny mpiasa ho very asa amin’izay fotoana izay na koa fandroahana mpiasa na fampiatoana tekinika. Ambonin’ireo rehetra ireo ny delestazy lavareny sy ny tsy fisian-drano izay misy fiantraikany amin’ny asa sy ny fiainan’ny mpiasa ary ny orinasa. Fahatelo, ny fikasàna saika hanondrotra 25% ny IRSA. Governemanta tapi-dalan-kaleha tsy hatokisan’ny mpamatsy vola iraisampirenena intsony no misy ankehitriny. Governemanta tsy mahavaha ny olan’ny JIRAMA. Inona no antony tsy ampiasana ny solika mavesatra vokarin’ny Madagascar Oil ao Tsimiroro? Sao sanatria mamofompofona kolikoly tahaka ny raharaha Gemfield ka ny vahoaka malagasy no mizaka ny vokany? Governemanta tsy manana paikady mazava hampidiram-bola miainga amin’ny harena voajanahary hananan’i Madagasikara. Ny volamena no tiana ambara eto. Fotoana izao ho an’andriamatoa Rajoelina Andry Nirina, filoham-pirenena, ny mandrava io governemanta io ary manendry praiminisitra sy minisitra vaovao. Olona avy amin’ny fiarahamonim-pirenena fa tsy avy amin’ny antoko politika no tendrena ialàna amin’ny hoe fizaràna seza. Olona manana fahaizana sy traikefa. Olona marina ka mampihatra fahamarinana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Azo antoka ny fiverenan’ny fitokisan’ny mpamatsy vola iraisampirenena amin’izay ary ny fandraisana fanapahan-kevitra hentitra sy feno fahasahiana. Ravao ny governemanta, tendreo ny fiarahamonim-pirenena, hoy hatrany ny KIMM!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tsy misy azo ianteherana hanatsaràna ny fambolena eto izany hatreto, raha ny mikasika an’i Madagasikara aloha

Card image cap
19-nov-2024

Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.

Card image cap
19-nov-2024

Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony

Card image cap