airtel

Sosialy

05-juil-2024

MADAGASIKARA

Anisan'ireo firenena ambany fidiram-bola indrindra

Sample post image

Sokajian'ny banky iraisam-pirenena anisan'ireo firenena manana otrikarena isam-batan'olona

05-juil-2024

ambany indrindra i Madagasikara, araka ny fanadihadiana farany nataony ary nivoaka ny 1 jolay 2024 lasa teo. 530 dolara na 2 363 800 ariary isam-batan'olona isan-taona ny vola miditra amin'i Madagasikara na Revenu National Brut. Miray sokajy amin'ireo firenena afrikanina sahirana toa an'i Burundi, Soudan du sud ary Somalie izay tany reraky ny ady an-trano i Madagasikara .Mazava ho azy fa manamafy ny maha firenena mahantracan'i Madagasikara izany ary mametraka fa tena mbola mila ezaka be ny eto raha te hanatratra ilay vola iainana 2,15 dolara na 9590 ariary isam-batan'olona isan'andro. Sokajiana ho sahirana ny 85% n'ny Malagasy . Tsy hoe misy loza voajanahary mahery vaika isan-taona anefa eto, tsy misy ady an-trano, tsy miady amina firenen-kafa i Madagasiy, tsy misy hoe mpitsoa-ponenana na mpifindra monina maro be mibosesika miditra eto. Etsy ankilan'izay, midadasika ny tany no sady mamokatra tsara. Maro an'isa ny tanora eto Madagasikara izany hoe afaka miasa tsara. Tsy fahaiza-mitantana sy kolikoly amin'ny sehatra rehetra no antony mampahantra ny Malagasy fa kosa manome vahana vondron'olona vitsy an'isa.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap