airtel

Sosialy

20-juin-2024

Madagasikara

Mbola misy ny fanondranana olona amin’ny endriny maro

Sample post image

Niroso tamin’ny fanasoniavana ny fehikevi-pifanarahana mba hanamafisana ny ezaka

20-juin-2024

amin’ny ady amin’ny fanondranan’olona avy eto Madagasikara ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sy ny Birao Nasionaly miady amin'ny Fivarotan'olona na ny BNLTEH (Bureau National de lutte contre la Traite des Etres Humains) ny andron’ny omaly. Ny tanjona dia ny hampahafantarana sy hanabeazana ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina sy ny mpandeha momba ny halehibeny, ny fisehony ary ny loza aterak’io zava-doza ho an’izao tontolo izao io, mba hahafahan'ny tsirairay mahatakatra ny famantarana mialoha sy ho mailo, hoy ny tatitra. Ny fiaraha-miasa eo amin'ny ACM sy ny BNLTEH dia mikendry ihany koa ny hanamafy ny fahaizan'ny mpisehatra samihafa hahita, hisoroka ary hiady amin'ny fivarotan'olona amin'ny fomba mahomby. Ao anatin'izany, hisy hetsika voakasika hotanterahina eny amin'ny seranam-piaramanidina, raha ny fanamarihana. Raha ny fikarohana tsotsotra natao, misy endrika maromaro ny fivarotan'olona mivantana na ankolaka avy eto Madagasikara. Anisan'izany ny fandefasana azy ireo any ivelany hohararaotina ara-nofo, ny asa an-terivozona ary ny fanondranana ankizy. Mora iharan'ny fanararaotana ara-nofo ny vehivavy sy ny ankizy malagasy, na eto an-toerana na any ivelany. Matetika ny tambajotran'ny mpivarotra olona dia maka ny olona ampiasainy amin'ny fampanantenana asa ara-dalàna, saingy avy eo anararaotany amin'ny toe-javatra tsy manaja ny maha-olona. Mety ho terena hiasa amin'ny toe-javatra tena mafy sy sarotra, fa tsy araka ny nampanantenaina. Matetika ny ankizy no iharan'ny fanondranana ho an'ny fananganan-jaza tsy ara-dalàna na fanambadiana an-terivozona. Madagasikara ihany koa dia voasokajy ho loharano, toerana fiampitana ary toerana alehan'ny olona iharan'ny fivarotan'olona iraisam-pirenena. Indraindray alefa any amin'ny firenena any Moyen-Orient, Azia ary Afrika ny olona Malagasy, izay iharan'ny asa an-terivozona na fanararaotana ara-nofo amin'ny toe-javatra tsy manaja ny maha-olona.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap