dia ny 6 aprily 2025 ho avy izao no ho tontosaina ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taonan’ny fikambanana, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Ho fanamafisana ny firaisankina sy fanentanana ny zanaka am-pielezana avy amin’ny kaominina Mahabako, distrikan'i Manakara sy ny manodidina mba hanatevin-daharana ny fikambanana sy handray anjara amin'ny asa fampandrosoana ara-tsosialy, no isan’ny anton’izany ihany koa, izany hoe hanamafy firaisankina hampandroso ny sosialy, hoy ny fanazavàna. Nilaza ny filoha lefitra, Rakotovelonjanahary Jean Cendri, fa ny tombony ho an'ny olona miditra anatin'ny fikambanana tahaka izao ankoatran'ny fahafantarana ho an'ny taranaka avy amin'ny faritra Mahabako sy ny manodidina dia ny fifampitsinjovana sy fifanohanana raha sanatria ka mitranga ny fahasahiranana sy ny voina aty an-drenivohitra. Tsiahivina fa ireo zanak'ampielezana mitady ravinahitra avy amin'ireo kaominina manaraka ny renirano Onilahy, distrikan'i Manakara, faritra Fitovinany, ao anatin'izany ny Fenomby, kaominina Vohimanitra, kaominina Saharefo, kaominina Ampasimboraka, kaominina Tsifenokataka no voakasiky ny fanentanana. Mbola ho tapahina mandritry ny fivoriana izay hotanterahina ny 16 martsa izao ny toerana hanatanterahana ny fety ary afaka manantona etsy amin’ny foiben-toerana Ambohijatovo ny olona liana hiditra ao anatin'ny fikambanana, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny