airtel

Sosialy

22-juil-2024

Malagasy mijaly rano

Ny zava-nisy tamin’ny 1904 no mbola iainana 2024

Sample post image

Ity no tena tonga amin’ilay fitenenana hoe miteny ny sary. Taona 1904, no nisy nahazo pika sary,

22-juil-2024

mety ho anisan’ny voalohany ny amin’ireo vehivavy Malagasy matsaka na maka rano. Fomba fiaina tsotra ary nifanaraka tsara tamin’ny vanim-potoana tamin’izany andro izany, tamina firenena maro maneran-tany. Izay ilay sary voalohany.
Aty amin’ny taona 2024, izany hoe 120 taona aty aoriana, io indray ny malagasy, tsy niloloa siny tanimanga fa miaraka kosa ami’ny « bidon jaune », milahatra miandry rano handeha. Maraina, atoandro, hariva, alina.Izay no sary faharoa. Na mbola eo ihany aza ny hoe matsaka eny an-doharano , an-tsaha, an-dava-drano dia ny Jiro sy Rano Malagasy, araka izany anarany izany no miandraikitra ny famokarana sy fitsinjarana ny rano eto Madagasikara, amin’ny ampahany betsaka amina distrika sy kaominina maro. 50 taona mahery izao ny JIRAMA, tsy nivoatra izy fa nihemotra, tahaka ny zavatra maro ihany eto Madagasikara moa..indrisy. Tohana ara-bola an-jatony miliara ariary isan-taona no arotsaka ao, efa ho 10 taona mahery izao saingy tsy hita hatreto aloha izay vahaolana. Hoy ny renim-pianakaviana iray, teratany malagasy monina any Frantsa, tonga niala sasatra teto Madagasikara : « efa tena tsy rariny, tsy fiainana intsony fa mitaintaina isan’andro.Rano hisasana sy hikarakarana sakafo dia efa olana be. Na ao an-trano na any amin’ny hotely sy trano fandraisam-bahiny io…Tsy ho tafavoaka i Madagasikara raha tsy misy politika mazava hamahana izany olana fototra izany. Io no mahatonga ny olona miala an’i Madagasika sy tsy mazoto hampiasa vola be eto ».
Dia mampieritreritra tokoa, satria tsapa ilay asa fampandrosoana mihisatra be. Fomba fiaina tany amin’ny 120 lasa kosa ve no mbola atao amin’izao. Tara taonjato iray amin’ireo firenena mandroso any Eoropa sy Azia, ary nilaozan’ny firenena afrikana sasany taona izany i Madagasikara raha fandrosoana no resahina.
RTT

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

Card image cap