airtel

Sosialy

13-juin-2024

Mandravarava ny valala

Mahatratra 270 000hekitara no rakotra any Atsimo-Andrefana

Sample post image

Mahatratra 270 000ha ny faritra rakotra valala any Atsimo-Andrefan’i Madagasikara

13-juin-2024

raha ny tatitry ny tombana nataon’ny IFVM (Centre de Lutte Acridienne) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tany amin’ny herinandro voalohan’ny volana mey anefa 28 000ha teo ny faritra rakotra ravalala. Misy ireo andiany hita amin’ny distrika maro toa an’i Toliara-II, Sakaraha, Ankazoabo, Morombe, Beroroha, Ihosy, Ikalamavony, Manja, Morondava, Ambatofinandrahana, ka miteraka fahavoazana lehibe tsy azo hamaivanina, raha ny fanamarihana. Manamafy ny tanjany ny toetr’andro, ka loza goavana mandindona ny fambolena sy ny zava-maniry, raha ny fanamarihan’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana. Ankoatra ireo fandraisana fepetra haingana, dia notaterina fa tsy maintsy misy ny fampiasana fiaramanidina izay tsy maintsy harindra hatramin’ny faran’ny volana jolay, hamenoana ny ezaka ety ambany. Hatreto anefa, voalaza fa zara raha 28 300ha hatramin’izao no efa vita ny hetsika avy ety ambany. Antony ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tsy fahafahana mitsofoka amin’ny toerana sasany. 8000 ha kosa avy amin’ny fiaramanidina. Mampitombo ny ambana sy ny loza ara-tsakafo mianjady amin’i Madagasikara io, kanefa tsy tena mahavaha olana aloha izany hatreto ny Fanjakana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap