miandraikitra ny fandraofana sy ny fitaterana ny fako eto Antananarivo Renivohitra. Ny karama volana jona indray no nanaovan’ny mpiasa fitakiana nanomboka omaly. « Ny olana miverimberina dia ny tsy fandoavana ara-potoana ny karaman’ny mpiasa, tara foana, tamin’ny 26 jona no nanantena handray karama kanefa hatramin’ny omaly efa 22 jolay no tsy voaloa. Io no antony mampitokona anay mpiasa izay efa tamin’ny alakamisy lasa teo no nampiomana », hoy ny Delegen’ny mpiasa eo anivon’ny SMA Atoa Razafintsalama Ndretsavao. Milaza ireo mpiasa fa tamin’ny 8 jolay farafahatarany ny fe-potoana omen’ny lalàna handoavana ny karamandireo mpiasa, saingy noho ny fangatahan’ny mpitantana herinandro hamahana ny olana, dia nanaiky ny mpiasa, saingy hatramin’izao mbola tsy voavaha. Manodidina ny 800 ny mpiasa, saingy efa nisy 100 nesorina noho ny olana ara-bolan’ny orinasa, saingy mbola mitohy ihany ny tsy fanefana karama ara-potoana. « Resaka karama fotsiny io, fa ny zo rehetra tsy misy resaka intsony, tsy misy CNaPS, tsy misy OSTIE. Hitohy foana ny hetsika ataonay satria tsy misy fe-potoana mazava, ary hanontany izahay hoe : ahoana marina ity fitantanana ity ? Tsy maintsy tahaka izao ve ? », hoy hatrany ireo mpiasa. Nampahatsiahy izy ireo fa ny andininy faha-63 amin’ny fehezan-dalana momba ny asa no mamaritra, fa tokony hajaina ny fotoana tokony handoavana ny karama. Handefa taratasy sy hitaky vahaolana maharitra, ary miankina amin’izany ny hitsaharan’ny fitakiana na tsia, ary mety hiafara amin’ny fampikatsoana tanteraka ny orinasa, raha ny nambaran’ireo mpiasa eo anivon’ny SMA. Miantso ny hameranana ny SMA ho SAMVA sy hameranana ny «Station de pompage » amin’ny orinasa ireo mpiasa hiverenan’ny fanampiana iraisam-pirenena samihafa izy ireo, mangataka havadika ho mpiasa raikitra eo anivon’ny kaominina ny sAtan’ny mpiasa. Raha tsiahivina, tany amin’ny volana janoary fotoana nanomezan’ny Japonais fitaovana maro ho an’ny SMA no nanaovan’ny Filohan’ny delegasionina manokana na PDS Atoa Ramanambitana Richard fa hanalana ny fako ao anatin’ny 10 andro. Nampanantenaina ny mpiasa, ary nanao ny ainy tsy ho zavatra nanala ny fako nanerana an’Antananarivo izay nisavovona dia nisavovona tokoa. Nilaza fa nofitahina anefa ny mpiasa satria tsy arakaraka izay, fa mbola nisy olana indray ny fandoavan-karama, hany ka nangotraka ny grevin’ny mpiasan’ny SMA teto Antananarivo ny tapaky ny volana martsa 2024 teo, izay tonga hatramin’ny fanakanan-dàlana tamin’ny bakan-jaoridira. Mbola nisy fitakiana ihany koa tamin’ny volana jona, fa tara,… Dia io indray fa mbola mitohy ny olana. Olan’ny orinasa monisipaly misahana ny fanadiovana an’Antananarivo aza am-bolana maro mba tsy hilazana fa an-taonany tsy voavaha mainka fa ny olan’ny Firenena ? Sa hanaovana « werawera » rehefa atomotra ny fifidianana hoe : io ary fa voavahanay ny olana ary voadio ny tanàna ka fidio ny kandidam-panjakana ?
Toky R
ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.