airtel

Sosialy

16-juin-2023

Sosialy

Minisiteran’ny Mponina Efa an-dalana ny politika fampanjariana ny zon’ny ankizy

Sample post image

Mirongatra sy mahazo vahana ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Miseho amin’ny endriny maro isan-karazany izany,

16-juin-2023

antony hanaovan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ezaka miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
TOMBONTSOAN’NY ANKIZY
Nanomboka tamin’ny taona 1980 i Madagasikara no nanamarika ny iray volan’ny ankizy izay hankalazaina isaky ny volana Jona tahaka izao. Tamin’ny 19 Martsa taona 1991 kosa isika no nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy na ny Convention International de droit de l’enfant hahafahana miaro azy ireny. Anisan’ny fepetra fototra tsy maintsy arahina ao anatin’izany raha araka ny fanazavan-dRajerison Miora Fanantenana, tale misahana ny sampandraharaha miahy ny ankizy eo anivon’ny Ministeran’ny mponina ny tsy fanavakavahana, ny tombontsoa ambony ho an’ny ankizy, ny fahavelomana sy ny fivelarana ary ny fandraisana anjara.

TSY MIJERY FOTSINY
Tsy mijery fotsiny ny Ministeran’ny mponina manoloana ireny ankizy marobe miasa alohan’ny faha-18 taonany eto amintsika ireny izay tsiahivina hatrany fa hiharan’ny herisetra ny ankamaroany , indrindra fa ny herisetra ara-nofo. Ankoatra ny fiaraha-miasany tsy mitsahatra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia manohana ara-tsaina ireo ankizy hiharan’ny herisetra ara-nofo izay raisina eny anivon’ireny ivon-toerana toy ny Centre Vonjy ireny ny Ministeran’ny mponina na ny “accompagnement psychosocial”. Mifanohana miaraka amin’ity ministera iray ity kosa, raha araka ny fanazavan-dRajerison Miora Fanantenana hatrany ireo ministera isan-tsokajiny toy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka izay mandray an-tanana ny fitsaboana ireo lasibatra, ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona izay manenjika ireo nahavanon-doza.
SARY 2 : Rajerison Miora Fanantenana, talen’ny sampandraharaha misahana ny ankizy eo anivon’ny Ministeran’ny mponina

POLITIKAM-PANJAKANA
Tsy mijanona hatreo anefa izany. Ankehitriny mantsy dia mamolavola politika handravonana ny vina isan-karazany ho amin’ny fiarovana sy fampanjariana ny zon’ny ankizy na ny politikam-pirenena ho fiarovana ny ankizy ny Ministeran’ny mponina. Efa miroso amin’ny famaranana ny fanoratana izany politika izany izy ireo izay hohampahafantarina ny rehetra mian-dalana eny ihany. Na izany aza moa dia fantatra fa mitombo ny fikambanana sy ireo mpiantsehatra tsy miankina amin’ny fanjakana miaro ny ankizy manerana ny Nosy amin’izao. Ezahina hitohy hatreny anivon’ny kaominina na fivondronana izy ireny mba hisian’ny fiaraha-miasa mahomby hanavotana ireny zaza tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa ireny sahady.
NOHO NY FAHANTRAN’NY RAY AMAN-DRENY
Raha araka ny fanadihadiana nataon’ny Organisation International du travail na ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny asa sy ny ONEF tamin’ny taona 2019 ka namoahany ny tatitra tamin’ny taona 2021 dia fantatra fa noho ny fahantran’ireo Ray aman-dReny eto amintsika no manosika ireo ankizy madinika tsy manan-tsiny hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Mameno ny banga amin’ireo vola tokony hiditra ao an-tokantrano no tena hataon’izy ireo mba hampandehanana ny fiainana. Ho an’i Finaritra, zazavavy kely vao 9 taona monja dia fantatra fa manenjika vazaha eny amin’ny Carlton Anosy no asa tsy maintsy hataony isan-kariva. Eny Ampefiloha anefa izy no mody ka indraindray mahazo 20.000 Ar raha araka ny fanazavany. Hangoniny no sady hanampiany ny Ray aman-dReniny io vola azony io raha araka ny fanazavany. Raha araka ny tatitry ny OIT sy ny ONEF hatrany moa dia ny 16,2% amin’ireo ankizy 5 ka hatramin’ny 17 taona no efa miasa eto amintsika tamin’ny taona 2019. Manao asa mampidi-doza ny ankamaroan’izy ireo izay misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamany, ny fitomboan’ny vatany ary ny sainy. Misy amin’ireny ankizy miasa ireny moa no mbola mianatra ihany saingy rehefa mahazo tsirony amin’ny fitadiavam-bola dia lasa kamo mianatra tsy mety hanohy intsony.
I Finaritra kely anisan’ireo havanana amin’ny fangatahana vola amin’ny vazaha amin’ny andro hariva eny amin’ny Carlton Anosy.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap