Misy sokajy anefa izy ireny izay mety hahazoan’ny sasany tombontsoa indrindra fa ho an’ireo mpiasa ambonimbony. Tena mihatra aman’aina kosa izany ho an’ireo mpiasa sasany toy ny hiainan’i Mirana, tovovavy kely 25 taona. Nanaiky nizara izany tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy.
Ahoana izany miasa amin’ny orinasa afaka haba izany, manao ahoana ny tontolo andro ?
Tena mafy ny miasa amin’ny orinasa afaka haba. Ho ahy manokana izao dia efa 2 taona no nanaovako io asa io noho ny tsy fananako diplaoma. Kely kamboty mantsy aho ka tsy manana afa-tsy ny mari-pahaizana BEPC. Nampiako fiofanana manjaitra kely izany ka nahafahako niasa. Miferin’aina vao hariva ny andro. Amin’ny 05 ora maraina aho isan’andro no mifoha mahandro vary atoandro ho entina. Miala ao an-trano amin’ny 06 ora manenjika miditra amin’ny 07 ora any am-piasana. Vao miditra dia efa rotoroto sy jiro no hazavana hiainana mandrapaharivan’ny andro. Mirava kely indray amin’ny 05 ora hariva dia miditra amin’ny 07 ora sy sasany alina raha mba tiana hiakatra kely ny karama raisina.
Tsy maintsy miasa alina ve dia mba mitombo ihany ny vola raisina ?
Rehefa manenjika production dia tsy maintsy miasa alina. Miditra amin’ny 07 ora sy sasany hariva mirava amin’ny 02 maraina ary aterin’ny personnel. Adin’ny 02 isan-kalina monja aho no matory rehefa miasa alina. Ny mampalahelo anefa tsy mifanaraka amin’izay ny vola raisina fa betsaka no very. Indraindray anefa mba miezaka miasa Sabotsy tapak’andro koa hamenoana io karama raisina io. Ahoana ny fikarakaram-batana sy ny vady aman-janaka amin’izany ? Ezahina vitaina ny andro Alahady avokoa ny fikarakaram-batana sy ny fanasan-damba ary ny fampiriman-trano. Tena tsy misy izany fotoana hivavahana any am-piangonana izany. Ho an’ireo efa manam-bady aman-janaka dia inoana fa mety tsy mahalala azy ireny intsony ny zanany raha Renim-pianakaviana na Raim-pianakaviana izy. Tsy mba misy fotoana ho an’ny ankohonana izany mantsy ny asa eny anivon’ny orinasa afaka haba. Izany indrindra no antony mahatonga ireo mpiasa eny anivon’izy ireny mifankatia sy mivady mihitsy amin’izay mifankahita foana na dia mafy aza ny asa.
Ahoana raha sanatria ka marary na tratry ny voina am-perin’asa ?
Ho an’ny orinasa misy ahy izao amin’ny fotoana hitrangan’ny aretina ao am-piasana ihany ianao no misy mikarakara. Tsy manana fiantohana ara-pahasalamana….izahay. Tsy maintsy dokoteram-panjakana ihany koa anefa no handehanana aorian’izay raha tsy maintsy mila repos raha tsy izany tsy eken’ny orinasa ary mety mihafara amin’ny fandroahana mihitsy. Mba voaloha ara-dalana ihany ve ny karama dia misy ve ny fanararaotana hataon’ny lehibe ? Tara ny fandoavana ny karama amin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa mbola mandray foana hatreto. Tena misy ny fanararaotana hataon’ny lehibe indrindra fa ny lehilahy amin’ireo tovovavy kely vao misondrotra sy tsara tarehy. Ilay namako iray izay izao nitaraina fa nitaky zavatra hafa taminy ilay lehibeny, antony nialany tao amin’ilay orinasa ary tsy niverina intsony izy.
Pati
Legende : Fijaliana no hiainan’ny ankamaroan’ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba toa an’i Mirana !
Hiara-kiasa hijery ireo fianakaviana lasibatry ny loza voajanahary ny Birao nasionaly