airtel

Sosialy

24-sept-2024

MPANASA LAMBA ENY MANJAKARAY

Ora telo isan-kalina no mba matory fa miandry rano

Sample post image

Mafy ny mahazo ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba eny Manjakaray sy Anjanahary eny,

24-sept-2024

kaominina Antananarivo renivohitra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny iray tamin’izy ireny mantsy dia ora 3 isan-kalina ihany izy ireny no mba matory fa miandry rano. Isan-kalina mantsy vao mba mandeha ny rano ka tsy maintsy andrasana. Manomboka amin’ny 09 ora alina ka hatramin’ny 02 ora maraina any ho any izany raha mijanona tsy misy indray aorian’izay. Tsy afaka matory ny tena hoy Rafara na dia efa lehibe aza. Songonan’ny sasany mantsy ilay bidon na koa alain’ny sasany mihitsy ka tsy maintsy ambenana. Miverina matory ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba manomboka amin’ny 03 ora maraina rehefa mba mahazo 2 na 3 bidon hanasan-damba dia mikatroka manohy ny asa toy ny mahazatra indray manomboka amin’ny 06 ora maraina. Mila lamba maina sy vita androany avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpampanasa lamba amin’izao noho ny rotorotom-piainana. Notsiahivin-dRafara anefa fa ny bodofotsy ihany no 3.000 ka hatramin’ny 5.000 Ar ny manasa ny iray amin’izao. Ny drap kosa 500 ka hatramin’ny 1000 Ar miankina amin’ny habeny raha tsy miova fa 100 sy 200 Ar ny lamba madinika sy antonony. Tsy mihoatra ny 10.000 Ar ny lela-vola azon’ny vehivavy mpanasa lamba iray isan’andro noho izany nefa hamoizany ny torimasony mandritra ny ora 5 na 6 miampy ny fiharetana ny hatsiaka sy ny asan-jiolahy mety hitranga amin’ny alina.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mpanasa lamba miandry ety amin’ny toerana voatokana tahaka itony !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap