airtel

Sosialy

22-sept-2023

Mponina eny La Réunion kely

Mitaraina amin’ny hafanana sy ny fofona miakatra

Sample post image

Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.

22-sept-2023

Anisan’ny tena mitondra faisana ao anatin’izany ireo mipetraka amin’ny trano vy toy ny iainan’ireo mponina etsy La Reunion kely Ampefiloha. Amin’ny atoandro raha araka ny fanazavan’izy ireo no tena mampamaivay ny hafanana izay mila tsy ho zakan’ireo kilonga madinika sy zokiolona. Ankoatra izay hoy ireo mponina dia mila tsy ho laitra ihany koa ny fofona sy ny lalitra. Saika amin’iny moron’ny lakan-drano iny avokoa mantsy no manao maloto ny ankamaroan’ny mponina noho ny tsy fananana toeram-pivoahana. Amin’iny lakan-drano iny ihany koa anefa izy ireo no manasa lamba. Misy trano fivoahana ho an’ny daholobe ihany eny an-toerana saingy 100 Ar ny mivalan-drano indray mandeha monja….Misy koa ny rano saingy tsy maintsy vidiana 150 Ar na 200 Ar ny iraty bidon miloko mavo. Vokany, manahy mafy ny amin’izay mety ho toe-pahasalamany ny mponina. Na izany aza dia notsiahivin’izy ireo fa mbola tsy nisy tratry ny valan’aretina COVID 19 izy ireo saingy anisan’ny aretina matetika mpahazo azy ireo kosa indrindra fa ny ankizy madinika ny aretin-kibo izay mampanahy be ihany amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao. Misy ihany koa ny gripa mahery sy ny kohoka. Efa mihoatra ny 700 moa ireo mponina monina etsy La Reunion kely amin’izao.
Pati
Legende : Manaraka ny toetr’andro ny hafanana na hatsiaka iainana amin’itony trano vy toy ny ety La Reunion kely itony !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap