airtel

Sosialy

12-juin-2024

MPONIN’I MAHAJANGA

Nahazo fanampiana avy amin’ny orinasa Star

Sample post image

Nahazo fanampiana avy amin’ny orinasa Star ny mponin’i Mahajanga.

12-juin-2024

Nanolotra fitaovana ho an’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza tany an-toerana ary nitety tanana nampahafantatra ny tetikasa ho an’ny tontolo iainana Kopakelatra teny anivon’ny mponina ity orinasa iray ity.Nanavao ny fiaraha-miasany niaraka tamin’ny Hopitaly Androva koa ny STAR ary nanolotra kojakojam-piterahana ho an’ny reny miisa 30 miandry fiterahana sy vao tera-bao. Nisy ihany koa ny fitaovana « concentrateur d’oxygène » natolony ny sampana miahy ny reny sy ny zaza ao amin’ny hopitaly. Izany no natao mba hanamoràna sy hanatsaràna ny fandraisana ireo reny sy zaza ao amin’io sampana io. Nanatanteraka ny fanolorana tamin’izany ny talen’ny masoivoho eny an-toerana Doison Rarivoson, ny tompon’andraikitry ny serasera RSE, ny mpitantana administratifan’ny masoivoho Zo Harifetra Rabarivelo ary ny mpitantana lojistika Kaed Soalehy izay noraisin’i Dr Valéry Refeno, tale teknika faharoa eo anivon’ny CHU Androva. Nisy toeram-panangonana Kopakelatra 6 napetraka tany Mahajanga izay efa hampiasain’ny besinimaro toy ny ao amin’ny Leader Price Majunga Be, ny Jovena Zato lalan’Amborovy, ny Supermaki Mazava Huile, ny ao amin’ny Total Baobab Analakely ary ny ao amin’ny Galana Atafana Majunga Be. Nisy ihany koa ny hetsika fanentanana nandritry ny telo andro nisesy nitetezana tanàna sy tamin’ireo teoram-panangonana ireo nampianaràna ny mponina any an-toerana mahakasika ny fanangonana ny tavoahangy plastika efa niasa ialàna amin’ny mety ho fiparitahany. Tavoahangy plastika miohatran’ny 4 .500 isa no voaangona tamin’izany. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny RSE an’ny STAR ireo hetsika ara-tsosialy ireo izay manamafy ny fahavononany hanohana ny mpiara-monina sy hiaro ny tontolo iainana hatrany ihany koa.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo fitaovana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap