airtel

Sosialy

22-oct-2024

Namaha olana i Boni

Maimaimpoana ny rano eny Alakamisy Fenoarivo

Sample post image

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

22-oct-2024

manomboka anio Talata 22 Oktobra. Ny kandida Ben’ny tanana natolotry ny antoko Tia Tanindrazana Rakotobe Andrianaivo Christian na i Boni no hitondra izany vahaolana izany ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina. Raha tsiahivina kely dia misedra olana amin’ny rano ny tapany avaratra amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo manoloana ny delestazy lavarenin’ ny Jirama, ka tsy mahatosika ny rano avy any Vontovorona. Mahaleotena amin'ny famatsiana rano fisotro madio mantsy ity Kaominina ity. Taomina amin’ny bidao ny rano tsinjaraina amin’ny mponina amin’ny tapany avaratry ny Kaominina. Misy mpandraharaha manolo-tanana amin’ny fitaterana ny rano miara-miasa amin’ity kandida ity ka tsy ho vidim-bola intsony izany. Aina ny rano ka tsy maintsy mitady vahaolana manoloana ny fahasahiranam-bahoaka hoy i Boni. Tafiditra ao anatin’ny fanamby napetrany rahateo ny hanatsara hatrany ny sosialim-bahoaka ao Alakamisy Fenoarivo. Ankoatra ny rano moa dia vain-dohan-draharahan’ity kandida ity ihany koa ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana toy ny fananganana lisea vaovao ho tombontsoan’ireo ankizy mpianatra manerana ny kaominina.
Pati
Legende : Izy no Rakotobe Andrianaivo Christian na i Boni, Kandida Ben’ny tanàna ao anatin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap