dia nitroatra ihany koa ny vahoakan’Amboditsiry omaly satria leo sy tofoka tanteraka amin’ny tsy fisian-drano. Nametraka taratasy matetika tany amin’ny Jirama, saingy tsy mba misy valiny. “Misy ny paompy iraisan’ny fokonolona izay efa olana hatry ny ela, fa ny tena olana goavana dia ny any an-trano tsy misy rano mihitsy. Raha misy dia rahalina amin’ny 11ora alina, rahampitso amin’ny 2 ora maraina, rahafakampitso amin’ny 11 ora alina,… Isan-kalina tsy maintsy miandry rano, ary miovaovo, tsy tafakatra amin’ny trano misy rihana. Tsy rariny intsony satria izany foana ny fiaianay, mijaly Amboditsiry rehetra. Efa tao anatin’ny 3 taona olana foana, efa fito volana zara raha misy, 2 volana izay tena tsy misy intsony,… Ny faktiora anefa mitomboka foana, ny hofana kaontera mandeha foana, kanefa ny rano tsy misy”, hoy Atoa Ra-Jean Pierre nisolo tena ireo vahoaka. “Ho an’ny Minisitry ny Jirama sy ny Minisitry ny rano, ao an-tranonareo misy rano dia tsy taitra ianareo, fa mba jereo ny mponina aty Amboditsiry. Mankanesa aty mba miandry rano iray barika. Hiandry rano ve ataonay raharaha fa tsy mba hatory. Leo sy kivy ratsy tanteraka izahay“, hoy io mponin’Amboditsiry nitondra ny tenin’ny rehetra io. Ny 17 janoary 2024 ireo vahoakan’Amboditsiry no efa nandefa taratasy tamin’ny tompon’andraikitry ny Jirama fa efa telo volana zara raha misy rano raha ny taratasy nasehon’ireo vahoaka, saingy tsy mba mahazo valiny mahafa-po sy voadingana foana, raha ny nambaran’izy ireo, hany ka tonga amin’ny hetsika mafy ho fanairana ny tompon’andraikitra. Nangotraka noho izany ny fihetsiketsehana teo Amboditsiry omaly takariva satria nirotsaka nibahana ny arabe ny vahoaka sady nilanja sora-baventy, hany ka tapaka teo amin’ny 30 minitra teo ny fifamoivoizana. Tahaka ny efa fahita, dia nirotsaka an-tsehatra ny Emmo-reg, izay vao mainka nampisendaotra ireo vahoaka, ka raikitra ny horakoraka hoe: “rano no ilainay fa tsy polisy”. Nakisaka niala teo amin’ny arabe ireo vahoaka, ary nifampihazohazo tsy niala fa niatrika ireo andiana mpitandro ny filaminana izay nampitomboina hatrany. Rehefa tsy nanaiky lembenana fa nanohy ny fihetsiketsehana teo amin’ny làlana mivoaka ny arabe ampitan’ny FJKM Amboditsiry ireto vahoaka ireto, dia norarafana lakrimozenina hiparitaka. Iray no naratra teo amin’ny lohany rah any vaovao vonjimaika. Raha olan’ny jiro sy rano angamba dia voalohany ny ao amin’ny Boriborintany faha-5, ary tompondaka amin’ny grevy fitakiam-bahaolana. Tsy hita popoka kosa ireo ambara fa solombavambahoaka eo anatrehan’izany, fa minia mikipy tanteraka, kanefa dia misy sahy miteny fa efa mahita 90% sy poa-droa, ka mahavalalanina ihany. Ampahany amin’ny olana eto an-drenivohitra ihany io, fa saika manerana ny Nosy dia efa lasa krizy sosialy sy ara-toekarena ny resaka jiro sy rano, saingy serasera sy fanodinkodinana saim-bahoaka aloha izao no betsaka.
Toky R
ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.