airtel

Sosialy

17-juin-2024

Ny valala tsy maty, tonga indray ny voalavo

Potika ny voly, ahiana ny Pesta

Sample post image

Potika ny an-tsasamanilan’ny fambolen’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Morombe.

17-juin-2024

Noho ny firongatr’ireo andiam-boalavo voalaza ho hafahafa no anton’izany ka ny vary no tena hataony mahita faisana. Tsy hanavahana izany na an-tanimbary na voly avotra. Ho an’ireto farany dia mandavaka ireo voalavo ary mipetraka ao ambanin’ilay vary mihitsy izy sy ny fianakaviany . Ho an’ny eny an-tanimbary indray raha ny fanazavan’ireo tantsaha dia mahasahy milomano mihitsy izy ireo satria tsy mataho-drano ka mihinana izay laniny. Tsy latsa-danja amin’izany ny mahazo ireo vomanga sy mangahazo. Tapahin’ireo biby kely ireo eny ifotony mihitsy ny fakan’ireo vokatra ireo ary haniny izay voany efa misy. Velon-taraina mafy ireo tantsaha noho izany. Tsy misy antenaina intsony mantsy ny fambolena izay efa tsy nitandroana nisasarana nefa ny vola lany koa tsy misy tafaverina. Nanginy fotsiny ny aretina pesta izay tena atahoran’izy ireo fatratra ihany koa. Raha ireto andiam-boalavo ireto mantsy sanatria no miakatra an-tanana rehefa tsy mahita hohanina intsony hoy ny mponina dia ho ripaky ny aretina vokatry ny parasy entiny ihany koa ny mponina raha sanatria ka misy izany. Tsy mbola nisy moa hatreto ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hiarovana na hanampiana azy ireo hoy hatrany ny mponina. Ny valala tsy voafehy any amin’ny tapany atsimo andrefan’i Madagasikara, dia io ihany koa fa misy ny toerana lasibatry ny voalavo. Henjana ny mety ho voka-dratsiny.
Pati
Legende : Tokony hanaovana operation tahaka izao ireo andiam-boalavo any Morombe any !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap