airtel

Sosialy

22-mai-2024

Olana ara-toetr’andro, tsy fanjarian-tsakafo,…

Malagasy 1,4 tapitrisa mila vonjy maika, ilàna 108 tapitrisa dolara

Sample post image

Nivory ampitain-davitra tsy ara-potoana ny vondrona SADC ny alatsinainy teo manoloana ny trangan-javatra El Niño,

22-mai-2024

olana ara-toetr’andro misy fiantraikany goavana amin’ny maha olona indrindra ny lafiny fanjarian-tsakafo. Fihaonana an-tampony hiadiana amin'ny haintany any amin'ny faritra SADC Notarihin’i João Lourenço, filohan’ny Repoblikan’i Angola sady filohan’ny Vondrona SADC IO ho valin’ny antso samihafa avy amin’ireo firenena mpikambana manoloana ny voka-dratsin’ny toetr’andro vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Lehiben’ny Fanjakana sy Governemanta miisa 9 ary minisitra 6 avy amin’ny SADC no nandray anjara. Nandray anjara tamin’io ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rafaravavitafika Rasata nisolo tena ny Filoha. Nivoitra tao anatin’io fa olona efa ho 61,7 tapitrisa no tratran’ny El Niño any amin’ny faritra SADC, ka ao anatin’ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo. Manodidina ny 57 tapitrisa ny olona miandry fanampiana vonjy maika, ahitana Malagasy 1,4 tapitrisa. Ho an’i Madagasikara dia efa nanetsika antso fanampiana iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny fanambaram-pirenena fa firenena niharan’ny loza voajanahary ny 3 aprily 2024, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Ho an’ny eo anivon’ny SADC, marobe ny vokatry ny El Niño, miantraika amin’ny sehatra stratejika amin’ny fambolena sy fivelomana, ny fiarovana ny sakafo, ny fahasalamana, ny rano ary ny angovo. Noresahina ny teboka tsirairay ary nanaiky ireo firenena mpikambana fa ilaina ny fanamafisana ny paikady sy drafitra isam-paritra amin'ny fotoana fohy, antonony ary maharitra. Ankoatra izay, nentanina ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra, amin’ny alalan’ny tetikasa iraisam-pirenena, araka ny tatitra nataon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Nanao antso avo amin’ny maha-olona ny SADC mba hamaliana ny fiantraikan’ny hain-tany vokatry ny El Niño. Amin’izao dingana izao, tombanana ho 5 miliara dolara ary 108 tapitrisa ho an’i Madagasikara ny filàna isam-paritra, raha ny voarakitr’io tatitra io. Baraingo ho antsika hoe : efa eo am-pelantanana ve io vola io ? Manana politika mazava hiatrehana ny fahavoazana sy hamahana ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo miverimberina na tsy mety resy ve i Madagasikara sa hatao fitaovana mihitsy io hitadiavana fanampiana iraisam-pirenena isak’izay mandeha ?
Ankoatra ireo, nambara fa naniry ny haneho ny firaisankinan’ny SADC amin’ny RDC sy ny vahoaka Kongoley ihany koa ny Vondrona. Nanameloka mafy ny fikasana fanonganam-panjakana tany Congo ny 19 mey 2024, izay nanamafy ny foto-kevitry ny fandeferana aotra manoloana ny fiovan'ny fitondrana tsy araka ny lalàmpanorenana.
Toky R
Sary fanehoana : PAM Madagascar


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap