airtel

Sosialy

06-juil-2023

Sosialy

Olana ara-tsosialy sy toekarena eto amin’ny firenena

Sample post image

Na ny sendikalista aza miantso fanerena kaonklavy

06-juil-2023

Ny taona 1994 no nanomboka nihen-danja ny Ariary, hoy ny fanazavan’ny mpahaitoekarena sasany. Hatreo amin’io taona io dia mbola nampiasa ny antsoina hoe «taux de change fixe» na tahabola tsy miovaova isika. Taorian’io kosa dia niovaova na ilay antsoina hoe «taux de change flottant» izany. Hatramin’izao dia mbola izay no ampiharina eto Madagasikara ary nampiditra ny firenena ao anatin’ny antsoina hoe MID na «Marché interbancaire de devise». Miankina amin’ny lalànan’ny tolotra sy tinadin’ny vola vahiny araka izany no hanakalozana ny vola ankehitriny. Rehefa misy fikorontanana izany tsena izany vao miditra an-tsehatra ny banky foiben’i Madagasikara mandanjalanja izay mety ho fatiantoka ao anatiny. Tsy afaka hanafoana ny MID avy hatrany ny fitantanana eto an-toerana ankehitriny satria izany dia hiteraka varotra fatiantoka ho an’ny tsenan’ny vola vahiny na ho an’ny banky foiben’i Madagasikara io na ireo banky ara-barotra. Manome vahana ny fanafarana entana any ivelany koa ny fanafoanana MID eto ary hitarika fiakaran’ny vidim-piainana avy hatrany. Mila ampirisihina hamokatra noho izany ny mpandraharaha anatiny hahafahana manondrana any ivelany mba hanome aina ny Ariary, hoy hatrany ny fanazavana. Raha ny nambaran’ny mpahaitoekarena mpikamban’ny faribolan’ireo mpahaitoekarena eto Madagasikara na CREM, Ramarifeno Nambininjanahary Andrianantenaina, kosa dia manodidina ny 6 hatramin’ny 7% eo foana ny taham-pisondrotan’ny vidim-piainana eto Madagasikara raha toa ka 2% ny any amin’ireo firenen-dehibe mampiasa Dolara sy Euro. Efa voasafon’ny Euro ankehitriny ny 5000 Ariary. Hanao ahoana ny tohiny ?
SARY : Ramarifeno Nambininjanahary Andrianantenaina, mpahaitoekarena
INONA NO VAHAOLANA ?
Inoana fa tsy hisy sahy hilaza hoe tsy misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-tsosialy sy toekarena izany, ankoatran’ny fiantraikan’ny COVID 19 sy ady atsy Okrainina, izay saika ataon’ny fitondrana ankehitriny sy ny ekipany litania isan’andro isaky ny misy velirano na vinan’ny filoham-pirenena tsy tontosa na tsy tontosa araka ny tokony ho izy. Mety hiampy ny korontana atsy Frantsa indray koa ve atsy ho atsy? Samy miandry isika saingy mandra-piandry izany aloha dia mipetraka ny fanontaniana. Inona no vahaolana amin’izao fahasahiranana mitombon’ny orinasa maro, indrindra, nanomboka ny taona 2020 no nankaty izao? Na orinasa madinika na salantsalany na vaventy dia milaza ho miaina anaty krizy daholo. Mihena ny vokatra, noho ny olan’ny angovo, indrindra, ity fikorontanan’ny famatsiana herinaratry ny JIRAMA ity. Mihena ny mpanjifa satria misondrotra ny vidim-piainana nefa tsy mihetsika ny karama. Nihena aza, hoy ry zareo sendikalista izay, satria raha efa tafakatra 250.000 Ariary ny farany ambany tamin’ny taon-dasa dia nalatsaky ny fitondrana ho 238.000 Ariary izany nanomboka tamin’ity taona ity. Mihena ny tombom-barotra, mazava ho azy. Mihena ny vola miditra. Hiatrika fifidianana isika atsy ho atsy, raha arahana ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Marary nefa ny toekarena sy ny sosialy. Inona no vahaolana hafa ankoatran’izay efa voalaza teo ?
LOHANA MPANJANAKA
Misy akony amin’ny fianana ara-tsosialy ny fivoahan’ny taratasy fa olona niofo na «naturalisé» ho frantsay ny filoham-pirenena malagasy, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Ny naha taitra anay tao anatin’ilay izy dia hoe ny taona 2014 izy no «naturalisé», hoy izy. 2018 izy nilatsaka ho filoham-pirenena ary lany ny 2019. Raha mahatsikaritra ny rehetra dia tonga dia niteny izy fa ho ataony 200.000 Ariary ny karama farany ambany rehefa lany izy ny 2018. Tonga dia nandidy izy izany. 2019, nantsoiny teny Ambohitsirohitra ny solontenan’ny mpampiasa. Tonga dia hoe 200.000 ny karama farany ambany. Tsy nasiana tovana na «annexe» akory avy eo rehefa nivoaka ny didim-pitondrana. Tonga ny COVID 19. Tonga dia hoe nahazo vola amina tapitrisa Dolara fa tsy nomena ny taty amin’ny sehatra tsy miankina fa tonga dia nobaikoina indray ny tao amin’ny CNaPS hoe ampisambory ny mpiasa ny volan’ny mpiasa ao. 2022, nafanafana ny tolon’ny sendika. Niteny indray izy niantso teny Iavoloha ireo solontenan’ny mpiasa dia hoe 250.000 Ariary ny karama farany ambany. Baiko io. Nisy nanaraka, nisy tsy nanaraka. 2023, nantsoina teny indray ireny mpampiasa ireny dia 238.000 Ariary ny karama farany ambany. Nampidinina indray. Aminay dia tena lohana mpanjanaka na «esprit colon» izany. Taty amin’ny sehatry ny asa izany no tena nampisehoan’ny filoham-pirenena ny lohana mpanjanaka. Misy ny antsoina hoe «tripartisme» na toko telo ahitana ny mpiasa, mpampiasa, fanjakana aty amin’ny tontolon’ny asa ary natao hifampiresaka na hanao ilay antsoina hoe «dialogue sociale» fa tsy nampiharina mihitsy izany tamin’ity fitondrana ity. Tsy hisy iteny intsony izany eto hoe marina sa tsy marina fa efa ireny nivoaka ireny daholo ny lalàna momba ilay izy ary na izy aza tsy ahenoana feo hatramin’izao. Raha marina, noho izany, ireny dia tsy tokony handany andro any amina fanazavana andininy sy andalana na «interprétation de texte» satria tsy any no olana fa ny hoe izany no loha na «esprit» nentiny taty amin’ny tontolon’ny asa. Vakiana fotsiny! Nisy raiamandreny maty tamin’ny fiadiana tamin’ny frantsay ho an’ny fiverenana amin’ny fahaleovantena. 58 taona taty aoriana ve dia ilay antsoin’ny frantsay hoe «ressortissant français» no avela hitondra eto. Raha misy sakoroka izany eto amin’ny tanàna dia miaramila frantsay no miaro azy? Tsy azo ekena izany fa mitodika aminareo tafika. Ianareo no afaka tonga dia mandamina an’io. Na ianareo hanao fitondrana miaramila, izany hoe «directoire militaire» dia miroso manery ny mpanao politika hanao kaonklavy handaminana tetezamita fohy sy fifidianana malaky izay ihany na ankoatran’izay dia mandany andro, hoy hatrany ny Randrana sendikaly. Araka izany, na ny sendikalista aza dia miantso fanerena ny mpanao politika hanao kaonklavy na koa hoe fikaonandoha manoloana ny olana ara-tsosialy sy toekarena eto amin’ny firenena.
SARY : Ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap