airtel

Sosialy

22-déc-2023

Olan’ny rano

Miandry ny fahatongavan-tsain’ny natao hamaha olana!

Sample post image

Efa ho mandava-taona no tapaka ny rano

22-déc-2023

Ora vitsy monja sady kely ny fitosany ary tsy maintsy amin’ny alim-be no manangona raha te hamita tontolo andro manakaiky ny tokony ho izy ny ampitso. Ny hamita tontolo andro tomombana moa dia efa zary nofy sisa, eny fa na dia aty an-tanàn-dehibe izay efa hita ho niaina izany toe-javatra nandritry ny volana maro aza amin’izao fotoana izao. Tsy lazaina intsony ireo zerikanina mavo na “bidon jaune” mitandahatra manerana ny paompy eraky ny tanàna. Maro amin’ireo mponina eto Antananarivo no tsy matory araka ny tokony ho izy intsony satria miandry rano mandeha na alina na vao maraina. Iaraha-mahalala fa aina ny rano. Mbola mila ampahatsiahivina ve fa ilain’ny vatan‘olombelona ny misotro rano isan’andro? Inona no sakafo atokona ka tsy ilana rano? Ny fofona tsy zaka na avoakan’ny vatan’olombelona na fitaovana hafa aterak’izany any anaty fiarahamonina any moa tsy lazaina intsony. Ny aretina miparitaka nefa ny fahefa-mifidy amin’ny lafiny saram-pitsaboana iaraha-mahalala fa mikoroso fahana ny isan-tokantrano. Mitaraina ny ankamaroan’ireo orinasa mila rano amin’ny asa ataony isan’andro ka miteraka fatiantoka ho azy ireo ny fahatapahan’izany matetika. Miandry ny fahatongavan-tsain’ny natao hamaha olana!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap