airtel

Sosialy

01-août-2023

Sosialy

Randrana sendikaly “Manavakavaka mpiasa ny fitondrana ankehitriny”

Sample post image

Nanao serasera ny minisiteran’ny asa tamin’ny herinandro, hoy ny Randrana sendikaly, fa nahavita dinika sosialy ny mpisehatra eo anivon’ny asa ary milamina ny toe-draharaha.

01-août-2023

Inona ilay atao hoe milamina, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga? Ilay hoe minisitra hanafaingana ny fanendrena ny tale jeneraly ve sa ilay hoe minisitra hanao fanelanelanana eny anivon’ny fiadidiana ny repoblika mikasika ny atao hoe “restriction budgétaire” na fitsinjaram-bola ho an’ny mpiasa? Tsy milamina raha izany satria nandany andro fotsiny ny fitokonana natao. Manaporofo raha izany no ataon-dry zareo hoe milamina fa tsy mandeha amin’izay laoniny ny rafitra ao amin’io CNaPS io. Inona moa no idiran’ny mpiasa amina resaka “restriction budgétaire”? Asan’ny filankevim-pitantanana izany. Misy minisitra tomponandraikitra na “ministre tutelle” ao. Any izany no tokony hifampiresahana. Tsy misy ilana filankevim-pitantanana raha ho ajanona amin’izao ny rafitra fa mandany volam-bahoaka fotsiny. Tsy ilaina toy izany koa ny minisitera. Volan’ny mpiasa aty amin’ny sehatra tsy miankina mandrotsaka latsakemboka nefa io fa tsy volam-panjakana. Aleo tonga dia ny any amin’ny fiadidiana ny repoblika no mitantana ny volan’ny CNaPS fa foano ny filankevim-pitantanana sy minisitera tomponandraikitra raha izay no eritreretina hoe milamina. Ny antony nanohananay ny tolon’ny CNaPS dia noho i ramatoa tale jeneraly mpisolo toerana, izay olobe iny, tany am-ponja fa nivoaka izy izao dia tapitra eo ho anay ny fanohanana ny mpiasan’ny CNaPS. Ny hanovana an’io rafitra io izao no tianay ho fantatra satria isaky ny mitaraina ny mpisotro ronono sy mpiasa dia hoe ny lalàna ato tsy ahafahanay manao an’izay, izany hoe ny mampisondrotra ny fisotroan-dronono, ny fandraisana an’ilay izy, io lalàna io izany no tokony avaozina. Tsy ny filankevim-pitantanana no manendry tale jeneraly fa mamoaka lisitra fotsiny izy dia ny fanjakana no manendry. Izay no tsy anarahan’ilay tale jeneraly ny baikon’ny filankevim-pitantanana ka antony ilana hanovana rafitra sy hihaonan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Iny izao dia hoe nisy fividianana kamera miisa 4 nefa 90 tapitrisa Ariary indray ny 1 dia olona tsy tomponandraikitra akory no nanasonia. Manavakavaka mpiasa ny fitondrana ankehitriny. Fotoana izao tokony hanavaozana ny sata mifehy ny sosialy na “code de prévoyance sociale” aty amin’ny sehatra tsy miankina. Tokony mihazakazaka ny minisitera tomponandraikitra saingy tsy nanao. Fa naninona ny 10, 11, 12 jona nihazakazaka nandinika ny fisotroan-drononon’ny mpiasam-panjakana? Tamin’ny herintaona niakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia tsy nidina intsony dia nangiana ry zareo. Ny tsy miankina nampiakarina dia avy eo noteren’ny fanjakana nampidinina mihitsy. Izay no antony iantsoanay ny mpampiasa sy mpiasa hoe andao hivondrona hanavao ilay sata rehefa tsy hanao ny fanjakana dia avy eo mitondra izany any amin’ny tomponandraikitra, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap