airtel

Sosialy

01-oct-2024

Randrana sendikaly

«Miara-miraviravy tanana amin’ny vahoaka ny fanjakana»

Sample post image

Mampikaikaika ankehitriny ny olan’ny herinaratra sy rano eto Madagasikara, hoy ny Randrana sendikaly.

01-oct-2024

Soratan’ny JIRAMA ao anatin’ny faktiora mihitsy moa izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, fa manomboka izao raha vao tara ny fandoavana izany vidin’ny jiro sy rano izany dia mihinana 5% fanampiny amin’ny faktoira tokony aloha indray izy ao anatin’izay rehetra izay. Iny no nahatonga anay hoe andao hatsangana ny KIMM na Komity iombonan’ny mpiasa malagasy. Nanao hetsika izahay teny Antsahamanitra isarihana hoe isika mpiasa mihitsy anie no tena mikaikaika amin’izao fotoana izao. Mihevitra isika fa rehefa miresaka sendika dia ilay mandray isam-bolana no resaka. Efa iainana isan’andro ireny fa tato ho ato tato izao dia efa tsy ireny intsony indray no manontany eto anivon’ny Randrana sendikaly fa ireo mpiasa tena mihitsy ankehitriny no tena mikaikaika. Vao niresaka tamina mpivarotra aho teo dia nanontany ireo hoe inona no tena mba azonareo sendika entina hanavotana anay manoloana ity olan’ny rano sy jiro ity? Efa mihena ny vahoaka manjifa nefa mbola misy izay fahavoazana izay. Ny fahapotehan’ilay fananana kely mandeha amin’ny herinaratra ireny izany izao tena mampikaikaika ny vahoaka malagasy. Miara-miraviravy tanana amin’ny vahoaka koa nefa ny fanjakana. Tsy ny mpiasa irery intsony no miraviravy tanana fa ny fanjakana mihitsy ary eo no mampametra-panontaniana hoe inona izany no anjara andraikitry ny minisiteran’ny asa satria natao hijery ny mpiasa sy ny asa izy? Fanasaziana no ataon’ny JIRAMA ao anaty faktiora nefa izy tsy mahavita manatontosa ny tena andraikiny amin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Tsy misy afa-tsy fampitahorana ve no paikadin’ny fanjakana satria miraviravy tanana koa izy? Ny mpiasa daholo izao no tena miharitra ny mafy. Io moa izany no tena nahagaga anay hoe inona no dikan’ilay manao hetsika mandoro kodiarana amin’ny alina? Midika inona izany? Nomen’ny KIMM sehatra hiseho teo Antsahamanitra isika tamin’ny andro mazava fa tsy andro maizimaizina any nefa tsy hita. Tahotra ve no antony sa inona? Ho avy moa ny fanomanana ny hetsika faharoa satria tsy afaka ny hatoritory amin’izao ny Randrana sendikaly. Hiditra atsy ho atsy ny fivorian’ny parlemantera rehetra dia efa miteny sahady ny Randrana sendikaly hoe mila mailo isika mpiasa fa sao alatsaky ny fitondram-panjakana amin’io fivorian’ny parlemanta io indray ilay IRSA 25% izay nolazaintsika hoe tsy mihatra amin’izao? Fotoana izao tokony handrafetan’ny fitondram-panjakana lalàna mifehy ny tetibola. Misarika sahady ny sain’ireo loholona, indrindra, solombavambahoaka vaovao izany hoe sao mba ohatran’ireo solombavambahoaka teo aloha izay nandany ilay sata momba ny asa mamotika mpiasa ihany ianareo? Tomponandraikitra amin’ny famotehana ny mpiasa malagasy ianareo tamin’izany. Mino izahay fa tsy hiditra amin’izany ianareo solombavambahoaka vaovao, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tsy misy azo ianteherana hanatsaràna ny fambolena eto izany hatreto, raha ny mikasika an’i Madagasikara aloha

Card image cap
19-nov-2024

Mihasarotra koa ny fahazoana rano fisotro madio ao an-drenivohitr’i Toliara ao.

Card image cap
19-nov-2024

Olana ho an’ny fianakaviany matetika ny zokiolona noho izy ireny tsy maintsy arahi-maso sy tokony

Card image cap