Nofy ratsy mitohy hatramin’izao ny fampiatoana tekinika na «chômage technique» ataon’ny mpampiasa malagasy, hoy ny Randrana sendikaly. Mihevitra isika, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, fa tamin’ny andron’ny valanaretina ihany no nisian’izany fa tena vao mainka mirongatra izy izao noho io delestazy io. Misy aza tsy mijanona amin’izay, hoy izy, fa miresaka hatramin’ny fijaliana noho ny fahapotehan’ny lalana sy fiakaran’ny fandaniana rehetra. Resaka mampiahiahy koa ny hoe ahoana no mety ho fiantraikan’io zava-misy any Etazonia io? Mampiomana sahady ny sendika satria ny mpiasa foana no potika. Tsaroantsika ny fahatapahan’ny AGOA ny taona 2009 fa amana hetsiny ny mpiasa very asa. Miverina anatin’ny 3 volana voalohany daholo ny nofy ratsin’ny mpiasa malagasy tamin’ny taona 2009. Nanantena jokera milamina hivoaka hoentin’ny fanjakàna nefa ny mpiasa tamin’izany. Nofy ratsy izao no mivoaka hatramin’izao. Izay no mahatonga anay hiantso ny vondron-kery rehetra hiaraka hitady sy hitondra vahaolana miaraka eo anivon’ny fitondràna hoe ity ilay paikady! Tsy manan-jo hanao andrakandrana intsony ny fitondràna satria efa nahavita fotoam-piasana iray. Tokony efa hiazakazaka amin’ny tena fanatsaràna izy nefa hatramin’izao izany mbola tsy hita fa matahotra, miahiahy ny mpiasa hoe hitohy ve izao nofy ratsy manomboka amin’ny fanombohan’ny taona 2025 izao. Mampiasa ny andraikitry ny sendika izahay io hoe rehefa hita fa potika ny tontolon’ny asa dia mitondra vahaolana. Andraikitra goavan’ny sendika izany. Rehefa nosakanana moa izahay dia mangataka fihaonana amin’ny vondron’olona rehetra na mpanao politika io na fiarahamonim-pirenena na sendika na mpampiasa hoe toy izao ilay paikady marindrano ahafahana mampandroso miaraka ny politika, toekarena, sosialy. Rehefa mipetraka tsara ny paikady sosialy sy toekarena dia manatanteraka fotsiny avy eo ny politika. Izay no tena tokony ho izy fa tsy ny natao tao anatin’izay 65 taona izay, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny