airtel

Sosialy

30-juin-2023

Sosialy

Randrana sendikaly «Niady irery ny tale jeneralin’ny CNaPS»

Sample post image

Famonjana tampotampoka an-dramatoa tale jeneraly mpisolo toerana ny CNaPS no hitan’ny olona, indrindra, teto Madagasikara, hoy ny Randrana sendikaly, mikasika ny raharaha CNaPS.

30-juin-2023

Talohan’io izahay tato amin’ny Randrana sendikaly dia efa nanomana hetsika, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Rehefa nandeha namonjy ilay fihaonambe tany Geneve ny solontenanay dia gaga fa nahita solontenan’ny CNaPS nanatrika tany. Dia hoe manatrika an’io foana isan-taona ny CNaPS. Tafiditra tanaty delegasionina solontenan’ny fanjakana izany zareo. Ny fanjakana no miantoka ny lany amin’ireo solontenany. Vola nalaina tao amin’ny CNaPS ve izany no nitondrana ireo delegasionina tany Genève fa mba tsy hampitabataba ny mpiasan’ny CNaPS dia nasiana solontenany hanampenana ny masony? Tsy naninon-tsy naninona tany tsinona ireo solontenan’ny CNaPS ireo fa dia nanaraka fotsiny. Nandany volan’ny mpiasa tato amin’ny CNaPS fotsiny. Efa nampitsiry fanapahan-kevitra tanatinay izay hoe mila manontany ny filankevim-pitantanan’ny CNaPS isika atsy ho atsy. Niverina avy any moa izany ny solontenanay dia nipoaka ity resaka CNaPS ity dia hoe nalefa any am-ponja izy noho ny antony maromaro. Isany ny kolikoly tamin’ny fampidirana mpiasa. Eo koa ny hoe nitaky trosa amin’ireo orinasa mbola hananan’ny CNaPS trosa. Nisy koa ny hoe nampindramina fiaran’ny CNaPS. Heno eny amin’ny haino aman-jery koa ny hoe hisy haka 20 miliara Ariary hanaovana lalaon’ny nosy ao amin’ny CNaPS. Izany no sahotaka anatin’io CNaPS io izany dia nampitokona an-drizareo ny talata ary nanao tafa tamin’ny mpanao gazety notroninay indray ny alarobia. Fa maninona moa no tale jeneraly efa zokiolona izay mihoatran’ny 60 taona no nadoboka am-ponja vonjimaika na MD? Hatahorana handositra ve sa nisy faty olona sa inona? Ny namany nefa vita ihany ny nandefa azy ho eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Tokony natao an’izay koa izy ary tokony ho tohizana ny fanadihadiana. Fandraisana mpiasa izany adin’akoho. Izahay ato aza manentana fampidirana mpiasa. Inona no olana amin’izany raha mahay ilay olona? Sao dia hanafenana ilay tantely afa-drakotra mbola tiana ho tohizana satria ny mpiasan’ny CNaPS mihitsy no efa nanambara am-pahibemaso ny alarobia teo fa natao tantely afa-drakotra tao. Tsy maintsy mandalo filankevim-pitantanana izany famoahana vola izany. Raha nanakana izany ramatoa tale jeneralin’ny filankevim-pitantanana dia nanaiky ve izany ny filankevim-pitantanana ? Fa maninona no tsy manao fanambarana hatramin’izao ny filankevim-pitantanan’ny CNaPS? Tokony manoratra any amin’ny PAC fotsiny izy hoe efa nekenay io dia izy manatanteraka fotsiny. Sa hiverina ve ny sary tamin’ny andron’i Raoul? Nofandrihan’ny filankevim-pitantanana ve izany ity tale jeneraly mpisolo toerana ity? Tokony hitodika bebe kokoa amin’ny filankevim-pitantanana ny fanadihadiana. Nanana finiavana hanatsara ilay fitantanana ihany izany ramatoa tale jeneraly mpisolo toerana saingy nandeha irery, niady irery izy hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap