airtel

Sosialy

17-oct-2024

RAZAFIMANDIMBY RIJA ETHEL

Midina ifotony manampy ireo sahirana

Sample post image

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

17-oct-2024

dia anisan’ny antony mahatonga izany fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny ka tsy hahafahana misakafo ara-dalana intsony. Na dia efa mikofona mikarama manasa lamba, mipasoka, matsaka rano aza mantsy ireo Renim-pianakaviana sasany dia mihitsoka daholo ihany koa ireto fidiram-bola ireto vokatry ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapan-drano lavareny vatsian’ny orinasa JIRAMA. Anisan’ny antony nanosika an-dRazafimandimy Rija Ethel hijery ireo tena sahirana teto an-drenivohitra izany afak’omaly Talata 15 Oktobra. Renim-pianakaviana mpanao asa soa ity Renim-pianakaviana ity raha tsiahivina no sady manam-piniavana ny hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fanasoavana ny mpiara-belona. Tokantrano miisa 150 no notsidihiny sy notolorany fanomezana tamin’ny alalan’ny valopy, hetsika izay mbola hitohy hatrany. Ireo Reny mananontena sy efa voky taona nefa tsy misy fidiram-bola no tena notsinjovina tamin’ity hetsika ity.
Pati
Legende : Nojereny manokana ireo Renim-pianakaviana tena sahirana teto !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap