airtel

Sosialy

26-déc-2023

SAKAFO NANDRITRA NY FETY

Tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny akoho fakana nofony

Sample post image

Saika nanararaotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra omaly Alatsinainy 25 Desambra,

26-déc-2023

fetin’ny Krismasy, fotoana mba nanaovan’ny isam-pianakaviana sakafo miavaka kely. Voakasik’izany manokana ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny sakafo fanokafam-bavony raha toraka izany ihany koa ny laoka. Ho an’ny sardine ohatra dia tafakatra 5.000 Ar ny iray boaty omaly. Tafakatra hatramin’ny 800 Ar ihany koa ny iray amin’ny atody raha niakatra ho 20.000 Ar ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony. Tsy lazaina intsony ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja fanaovana laglasy sy mofomamy toy ny siramamy, ny crème likida….Raha fehezina dia nikaikaika avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa nanoloana izany. Fotoan-dehibe iray hankakazaina isan-taona anefa ny fetin’ny Noely ka samy miezaka nandamina izay teo am-pelatanany ny rehetra. Nambaran’ireo mpivarotra moa fa mbola hitohy hatramin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao izany fidangan’ny vidin’entana izany ka tokony samy hiomana amin’izany avokoa ny rehetra.
Pati
Legende : Midangana hatrany ny vidin’ny akoho fakana nofony rehefa fety tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap