airtel

Sosialy

19-oct-2023

Sendika FISEMARE

“Loza mitatao no manoloana antsika malagasy”

Sample post image

Loza mitatao no manoloana antsika malagasy, hoy ny Firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy

19-oct-2023

revolisionera na FISEMARE tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Anjanahary omaly. Mbola ao ve ny fanahy maha olona, hoy izy ireo? Very tanteraka ny zon’olombelona. Manoloana ny fikorontanana iainantsika vahoaka malagasy manoloana izao fifidianana izao dia fanontaniana no apetrakay. Aiza isika izao ary andeha ho aiza? Hita sy tsapa fa misy fiantraikany amin’ny tontolon’ny asa sy fiainana andavanandro ny zava-misy ankehitriny. Miha mihena ny entana hafarana hiala eto Madagasikana na tsy misy mihitsy aza fa miandry ny fahavitan’ny fifidianana ara-dalàna. Miroso amin’ny fandefasana fampiatoana tekinika ny ankamaroan’ny orinasa. Ahiana hiafara amin’ny fanakatonana orinasa izany. Zava-dehibe ho anay mpiara-miombon’antoka sosialy ny fisorohana krizy politika lavareny toy ny efa nisy hatrizay ary mbola fery tsy sitrana zakain’ny mpiasa malagasy madinika hatramin’izao ka mahatonga anay ho saropiaro amin’ny fanajana zon’olombelona sy ny fametrahana tany tan-dalàna eto Madagasikara. Raha sanatrian’ny vava ho tonga tokoa ny krizy vaovao indray dia tsy ho azo ihodivirana ny fiantraikany ratsy rehetra, indrindra, ny ara-toekarena, asa, fihariana. Hikatona ny orinasa rehetra. Ho very asa ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy. Miantso ny amin’ny hitandroana sy hiverenana amin’ny fanajana lalàna velona, noho izany, ny FISEMARE. Miantso ireo kandida sy mpanao politika hifandinika an-databatra boribory an-kitsi-po sy am-pahamarinana ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Miantso ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra. Aoka izay kandida lany eo mba tena hijery izay rafitra mety amin’ny filàn’i Madagasikara. Izahay sendika dia milaza ny zava-misy fa tsy hoe tekinisianina akory! Mahatsapa ny zava-misy kosa anefa! Mino izahay fa raha voavaha io fototra io dia voavaha ny olana, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap