airtel

Sosialy

16-août-2024

Sendika FISEMARE

«Tokony ahena na io IRSA 20% io aza!»

Sample post image

Ny IRSA na «Impôt sur les revenues salarié et assimilé» dia vola alaina amin’ny karaman’ny mpiasa,

16-août-2024

izay karama manana endrika hatsembohana, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera. Ny karama manana endrika fanonerana kosa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, dia tsy alàna amin’io IRSA io. Nisy moa ilay vaovao nodisoin’ny tomponandraikitra, izay isaorana azy ireo, hoe hakarina 25% io IRSA io taorian’ny fivorian’ny FMI sy ny fanjakana malagasy. Mijanona ho 20% ihany izany ilay izy. Any ivelany dia ny olona manan-katao no akàna hetra ny karamany. Ny eto moa izany, raha sanatria tanteraka iny, dia ilay mpiasa efa mahantra indray no mbola akàna hetra. Iaraha-mahita nefa fa ny asam-panjakana na «service publique», na eny amin’ny fampianarana io na orinasam-panjakana na hopitalim-panjakana dia toa mbola handoavam-bola. Betsaka ny mpiasa mitaraina ary io IRSA alaina eto amintsika 20% io aza mbola mampitaraina ny mpiasa satria raha tratry ny fandroahana, ohatra, ny mpiasa ka betsaka ny STC azon’io dia tena voakapok’ilay 20%. Raha ny fitantaran’ny mpiasa moa dia mahavita fiainana mpiasa ao anatin’ny 3 volana ny IRSA alain’ny fanjakana. Misy ambaratonga na «tranche» izy io. Raha 250.000 Ariary, ohatra, ny karaman’ilay mpiasa dia akàna 2000 Ariary angamba izy izay dia miakatra miha miakatra vao tonga any amin’ilay 20%. Raha mpiasa iray izany, ohatra, mandray 1000.000 Ariary na 7000.000 Ariary dia tena mahita mihitsy amin’io 20% io. Hetra natao alaina amin’ny olona fa tsy natao hankarary azy nefa ny filozofian’ny IRSA. Tokony jerena ihany izany izay satria ny olona manan-karena no akàna hetra any amin’ny tany mandroso. Tokony omena ny mpiasa izany ny an’ny mpiasa, an’ny mpampiasa ny an’ny mpampiasa, an’ny fanjakana ny an’ny fanjakana. Eto efa zara raha misy fiakarana ny karaman’ny mpiasa kanefa mbola voakapoky ny IRSA sy ny CNaPs ary ny hafa rehetra. Mila jerena izany ny fahafaha-mampiakatra ny fahefa-mividin’ny malagasy satria tsy mankarary azy ny hetra rehefa mba hampiakarinao ny fahefa-mividin’ny malagasy. Ny efa mahantra indray izany izao no mandray anjara betsaka amin’ny fampiodonana ny raharaha eto Madagasikara. Tokony ahena na io IRSA 20% io aza fa na io IRSA 20% io aza efa tsy zakan’ny mpiasa, hoy hatrany ity sendika FISEMARE ity!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap