airtel

Sosialy

04-juin-2024

SIRA TSY MISY IODA SAIKA HAPARITAKA

Maro ireo nopotehana teto an-drenivohitra

Sample post image

Marobe ireo sira tsy misy ioda saika haparitaky ny orinasa tsy miankina iray teto an-drenivohitra.

04-juin-2024

Tratra ny Zoma lasa teo izy ireo ka nopotehina na nanaovana ilay destruction par dissolution et incinération rehefa voatily sy voamarina. Ho fiarovana ny mpanjifa no antony nanatanterahan’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana izany, niarahana tamin'ny solontenan'ny ACSQDA sy ny tompon’andraikitry ny hetra natrehan'ny tompon'andraikitr'ilay orinasa. Tao amin'ilay toerana nametrahana ireo sira ireo ihany no nanaovana izany. Antoka iray lehibe ho an'ny fahasalaman'ny mpanjifa ny fihinanana sira misy ioda, raha tsiahivina. Sel de guérande 48 boaty milanja 250grama isanisany, Sel de mer gros La Baleine 352 pake milanja 1 kg ary Sel fin 41 boîtes milanja 250 grama isanisany no nodorana tamin’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny famotehana ireo sira !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap