na ny SMKAR ny 24 janoary ho avy izao. Hanafana ny lanonana ny mpanakanto Lola, mety hisy an’ireo mpiasan’ny kaominina izay artista matihanina, okestra Zandry Mozika,... ka nisaoran’ny SMKAR ireo efa nanolo-tànana azy ireo. Manao hetsika mifandraika amin’izany hoentina manatanteraka ny tanjona 2 lehibe, ka voalohany ny fametrahana ny famataran’ora lehibe eo amin’ny Lapan’ny tanàna, fanokafana boatim-parmasia lehibe iray ho an’ny mpiasan’ny tanànan’Antananarivo, raha ny resadresaka nifanaovana tamin’ny Filohan’ny SMKAR Atoa Raharijaona Jean François. Misy Farmasia eto Antananarivo hametrahana petra-bola ho an’ny mpiasan’ny kaominina hahafahana maka fanafody rehefa avy amin’ny dokoteran’ny Kaominina. Rehefa manao ny famerenam-bola avy eo ny eo anivon’ny mpiasa sy ny kaominina, dia averina mankao amin’ilay farmasia ilay vola avy eo hahafahana maka fanafody indray amin’ny manaraka. Satria an’ny mpiasa sy natolotr’ireo mpitantana nifanesy hiasan’izy ireo toeram-piasana, dia mijery ny fomba hanatsarana azy ka anisan’izany ny fanamboarana famataran’ora ohatran’ny taloha, hoy ny fanampim-panazavana. Eo amin’ny 7 tapitrisa Ar ny famataran’ora kasain’izy ireo hapetraka eo amin’ny Lapan’ny tanàna, ary amin’ny 5 tapitrisa Ar eo ny petra-bola amin’ny lafiny ara-pahasalamana io. Amin’izao anefa, sarotra ny hanenjika ilay tanjona, tsy araka ny nieritreretina ny « billets » lafo hanaovana io hetsika io satria raha 500 no tanjona dia 200 mahery kely hatreto, ka nanentana ny rehetra handray anjara hanohana azy ireo ny SMKAR. . Eo anatrehan’ny mety fahadisoam-pijery izay tsapan’ny Sendika tamin’ny fangatahana fanohanana nataony, dia nanamarika ny Filohan’ny SMKAR, fa tsy mpanapa-kevitra amin’ny fahazoan-dàlana, fanaovan-tsonia,… fa mpiasa misy mpibaiko ka arakaraka ny baikon’ny mpampiasa ny asa ataony. Tsy araky ny eritreritry ny olona. Nomarihin’ny Filohany Atoa Raharijaona Jean François ihany koa fa tsy miankina amin’ny resaka loko na antoko politika, fa manana ny fahaleovan-tenany manokana.
Toky R
Lalina loatra ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy entina, ka zary raisin’ny mpitondra ho ny tenany