airtel

Sosialy

01-juil-2024

TANORA LATSAKY NY 24 TAONA

Tafakatra 68,5% ireo tsy an’asa

Sample post image

Ny 70%-n’ny mponina manerana an’i Madagasikara dia tanora latsaky ny 30 taona avokoa.

01-juil-2024

Izy ireo noho izany no tena ho avin’ny firenena saingy ny mampalahelo dia izy indray no tsy voajery sy tsy voakarakara. Ny 68,5% amin’izy ireo mantsy dia tsy an’asa avokoa, indrindra fa ireo latsaky ny 24 taona. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hamondrona ireo tanora manana tetikasa ary efa miditra eo amin’ny sehatry ny varotra etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina mihitsy ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Hanomboka ny 05 Jolay ho avy izao izany haharitra roa andro ka anisan’ny tanjona ny hahafahana manosika sy mitady lalam-barotra azy ireo handresena ny fahantrana. Tsy ny eto an-drenivohitra irery moa no hisitraka sy hahazo tombontsoa amin’izany fa hahazo ny anjarany ihany koa ireo tanora any amin’ny faritra.
Pati
Legende : Betsaka amin’ireo tanora nahavita fianarana no lasa mpivarotra amoron-dalana tahaka izao !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap