airtel

Sosialy

08-août-2024

Tao anatin’ny 15 taona

Niha potika ny Firenena, tafidi-kizo amin-dRajoelina…

Sample post image

Hanolotra indray ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE sy ny fandaharan’asa

08-août-2024

hanatanterahana izany ny Praiminisitra sy ny governemanta. Tena misy zavatra antenaina sa fombafomba fotsiny tahaka ny mahazatra sisa ? Inona no antenain’ny Malagasy ?

MANDRINGA SAHADY ILAY « ANDRY 3 »
Mahakely finoana raha tarafina amin’ny fomba fiasa sy ny programa manidintsidin’ny Fanjakana ary tsy vao sambany no nilazana fa hiasa sy hampandroso ary hafainganina ka tsy afaka hiandry ny tsy afaka. Taorian’ny « Velirano 13 » toa nivadika ho fahirano ho an’ny Malagasy, dia nolazaina indray taorian’ny fahalanian’i Andry Rajoelina fa hifototra amin’ny « Andry 3 » ny fandaharan’asany sy ny programam-pampandrosoana entiny, dia ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famokarana, ny fijerena ny maha olona, ary ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Indostria sy orinasa, ary famokarana no resahana ka asa miodina amin’ny inona izany eo anatrehan’ny delestazy sy olan’ny angovo efa tena lasa olana nasionaly tsy mety voavaha ? Indostria haodina amin’ny delestazy ? Asa mby aiza ilay 400MW nanaovana velirano ? Mampahatsiahy vary 500Ar sy menaka 2500Ar nampanantenaina tamin’ny 2009 ! Teleferika hitrosana vola hatrany amin’ny 800 na 750 miliara Ar no nihazakazahana kanefa ahafahana mividy trakitera 12 500Ar ka manana 7 avy isaky ny kaominina 1695 ohatra raha hanao fampitahana tsotsotra.

MIKOROSO FAHANA NY FIAINAM-BAHOAKA
Ny resaka maha olona izany, toa tany amin’ny propagandy no natao fitaovana ny vahoaka, notambazana tamin’ny jiron’akoho sy fanomezana tsy mahavita taona fa ny asa fihariany, ny famoronan’asa, ny famokarana,… tsy nisy fijerena. Miha mitotongana ny fari-piainan’ny Malagasy, tsy an’asa ny tanora maro, ratsy ny tondro iraisam-pirenena maro, miha sahirana andro aman’alina, mitolefika eo anatrehan’ny vidan’ny vidim-piainana, mandohalika manoloana ny olan’ny jiro sy rano,… fa toa zary tsy mahataitra intsony ny Fitondrana. Vokany, mitombo ny sehatra tsy ara-dalàna, mikorotana ambony ambany ny Firenena ka taratr’izany io zava-misy eto Antananarivo io. Izay mihetsika dia ny herim-pamoretana no hampanginana azy. Tsy misy politika ara-tsosialy sy ara-toekerana maty paika, fa miaina amin’ny zava-misy. Dia io iaraha-miaina io, fa tafakatra 5000Ar teo indray ny sandan’ny Ar mitaha amin’ny 1euro tao anatin’ny 48ora farany satria tsy mirona amin’ny politikam-pitantanana mba ho Firenena mpamokatra fa tsy Firenena mpanjifa.

MITOMBO ISAN’ANDRO, ISAM-BOLANA, ISAN-TAONA NY FAHASAHIRANANA
Ny vahoaka no mizaka ny tsy eran’ny aina andro aman’alina, indrindra amin’izao vanim-potoana mamaivay izao satria anarany no mba fialan-tsasatra ho an’ny mpianatra, fa ny Raiamandreny mikolay amin’ny fampidirana mpianatra. Tena hita sy hiainana isan-taona ny sondro-bidim-piainana satria raha « cahier » novidiana 12 000Ar ny iray fonosona tamin’ny taon-dasa ohatra, dia tafakatra 15 000Ar amin’izao fotoana izao. Tena hoe : izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso nambaboana ny Malagasy ? Tsy finiavana hitsikera, fa toa isaky ny mandray fahefana ny volomboasary, dia fihemorana sy fahapotehana no dikan’izay, niainga tany amin’ny 15 taona lasa. Tena tafidi-kizo ny Malagasy ka asa rahoviana vao ho afa-doza!?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap