airtel

Sosialy

16-sept-2024

Tetikasa « Innovation Challenge »

Hampiroborobo ny famokarana amin’ny alalan’ny teknolojia

Sample post image

Raikitra ny « Innovation challenge » sehatra ho fampivelarana sy hampiroboroboana ny famokarana

16-sept-2024

amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra, izay natomboka ofisialy ny faran’ny herinandro teo. Fandaharan’asa tohanan’ny FSRP (Food Systems Resilience Program for Eastern and Southern Africa) vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola hatrany amin’ny 200 tapitrisa dolara. Eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana na ny MINAE. Ny Fifaninana "Innovation Challenge" dia fitaovana mitondra hainga vao ary mikendry ny hampivelatra ny sehatra haitao ara-kajy mirindra, ka natao 13 septambra 2024 ny fanaingana izany, izay natrehin'ireo mpiara-miombon'antoka maro, mpisehatra amin’ny famolavolana sehatra nomerika sy vahiny manakaja maro. Nisy nandritra izany fotoana izany ny laobary an-dasy nitondra ny lohateny : « Panel sur l’innovation technologique dans le secteur de l'Agriculture et de l'Élevage ». Hamporisihana ao anatin’ny tetikasa ireo tanora manana talenta ao anatin'ny haitao ara kajy mirindra, ka hanolotra vahaolana sy zava- baovao ara-teknolojia eo amin'ny sehatry ny famokarana. Hisy ny fifaninanana miompana amin’ny: Fananganana ny lisitry ny mpamokatra, fanolorana ny vidim-bokatra, fanomezana Vaovao momban'ny toetr'andro hahafahana manatsara Famokarana, fanolorana toro-hevitra sy fampandrenesana manokana na antso fanairana mahakasika ny fahasalaman'ny biby na ny fahasalaman'ny zava- maniry. Hihatsara noho izany ny fifandraisana sy ny fahombiazan’ny mpamokatra amin'ny alalan’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra. Isan’ny voaresaka ny « plateforme 3-2-1 » laharana maitso afaka mampifandray ireo mpividy sy mpivarotra trondro. Nilaza vahaolana ny Agri-tech Mada ny amin'ny faminavinana mialoha ny mety ho vokatra amin'ny alalan'ny météo sy ny sary azo avy amin'ny satellite. Ny « micro irrigation » na ny « système d'irrigation goute à goute » ihany koa dia vahaolana ny amin'ny fitsitsian-drano. Nisongadina ihany koa ny vahaolana ho entin'ny « deep farm » izay tarihin'i Steave Leong, izay famantarana mialoha ny aretina sy ny mety ho voka-bary amin'ny alalan'ny « drone » sy ny IA (intelligence artificielle). Fikarohana ihany koa ny fomba fambolena mety indrindra sy ny zezika mifanaraka amin'ny tany eto Madagasikara,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap