airtel

Sosialy

16-déc-2024

Toekarena sy fiainam-bahoaka

Ahiana ho mbola krizy goavana noho izao ny 2025…

Sample post image

Vita iny ny fifidianana na mbola tsy mivoaka ofisialy aza ny vokatra.

16-déc-2024

Niharihary ny lesoka sy ny hosoka ary ny amboletra samihafa. Nihazakazahana ny nandrombaka ny fahefana amin’ny fomba mamohehitra na ny tamin’ireo fifidianana roa teo aloha na ilay farany teo, raha tarafina amin’ny vokatra vonjimaika. Antenaina hitondra voka-tsoa ho an’ny fiainam-bahoaka na ny ara-tsosialy fa indrindra ny ara-politika ve ? Mahakely finoana satria betsaka ireo ambana goavana ahiana vao mainka hamparefo ny fiainam-bahoaka izay zary hararaotina amin’ny fahantrany sy hatao fitaovana hakana fahefana. Tsy misy fivoarana tena antenaina, na eo aza ny resaka ambony latabatra nolazain’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa afaka 2 taona dia hiakatra hatrany amin’ny 8% ny fiakaran’ny harin-karena na « taux de croissance » amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo vina napetraky ny Fanjakana. Ny tena zava-misy anefa, nolalaovina sy notazonina tamin’ny « sérum » nandritra ny fifidianana ny fanapahan-kevitra mety hanampy trotraka ny fiakaran’ny vidim-piainana, dia ny fampiakarana ny vidin-tsolika. Tany amin’ny volana jona 2024 no efa namboamboarina ny saim-bahoaka fa tsy hihoatra ny 200Ar isaky ny litatra ny fiakarana. Efa nolaniana tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 10 jolay 2024 ny rafitra ho an’ny fanintsiana ny vidiy ambony indrindra eny amin’ny paompy na « Prix maxima affichés à la pompe » ho an’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, saingy nezahana notazotazonina teo satria hiatrika fifidianana ka sao hanaratsy. Anisan’ny fepetra napetraky ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF io resaka fampiharana ny vidin-tsolika tena izy io, izay notazontazonina noho ny kajikajy ara-politikan’ny mpitondra. Vokany, nisafidy ny tsy hamaha « robinet » ka tsy namoaka ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) eo amin’ny 100 tapitrisa dolara ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI, tsy navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena ihany koa ny tohana ara-bola na « Appui budgétaire » 100 tapitrisa dolara hanohanana ny faharefoan’ny kitapombolam-panjakana,… Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hiroso amin’ny fampiharana ireo fepetra ny Fanjakana raha tsy hoe : mahavita fahagagana. Tsy maniry loza ho an’ny Firenena fa azo heverina hihamafy ny fidangan’ny vidim-piainana efa tsy zaka ankehitriny. Tsy dia misy antenaina betsaka ihany koa ny famahana ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena satria ny tetibolam-panjakana aza toa vao mainka nahena manodidina ny 3000 miliara Ar. Mbola hihena 320 miliara Ar isan-taona noho ny taratasy fifanekena tamin’ny PTF, raha ny nambaran’ny depiote iray mpitarika ny fanoherana. Dia tena sahy hilaza fa hahavita fahagagana ve ny fitondrana eo anatrehan’ny filazana fa hampiakatra 8% ny fiakaran’ny harin-karena sa dia resaka poakaty sy manidintsidina toy ilay herinaratra 400MW ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

Card image cap