airtel

Sosialy

05-juin-2024

TOVOLAHY 20 TAONA

Olana ara-pitiavana no nitsorohana tao ambany kamio ?

Sample post image

Tovolahy iray manodidina ny 20 taona no fantatra fa maty voahitsaky ny kamiao

05-juin-2024

omaly Talata 04 Jona tany Ambanja Centre. Raha araka ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso dia safidin’ity tovolahy ity mihitsy ny namono tena. Raha vantany vao nandalo mantsy ilay kamiao dia nihazakazaka nitsofoka tao ambany kodiarana izy ka maty tsy tsa-drano. Mbola ny vaovao azo ihany no nahafantarana omaly hariva fa nanana olana ara-pitiavana ity tovolahy ity, antony namonoany tena tahaka izao. Ankoatra ny fiatrehany ny fiainana isan’andro izay tena efa sarotra mantsy dia fantatra fa mbola nanana olana tamin’ny olon-tiany ihany koa izy. Naleony nisafidy ny handao ny tany noho izany. Na izany aza anefa dia ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no tena hanamarina izany na tsia.
Pati
Legende : Naleon’ilay tovolahy nandao ny tany tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap