airtel

Sosialy

16-oct-2024

VEHIVAVY TANTSAHA ETO AMINTSIKA

Mbola betsaka ireo olana sedrainy

Sample post image

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

16-oct-2024

Tafiditra ao anatin’izany ny vehivavy izay fantatra fa misedra olana maro tokoa amin’izao fotoana. Ankoatra ny tsy fisian’ny fiofanana omena azy ireny mantsy dia tsy mitsaha-miaka-bidy koa ireo masomboly sy zezika hamidy eny an-tsena. Vato misakana tsy hahafahan’izy ireo mandroso amin’ny asa fihariany avokoa izany rehetra izany arahin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Nankalazaina omaly Talata 15 Oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Tao Talata no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany izay nokarakarain'ny Fitaleavamparitry ny fambolena sy fiompiana Analamanga, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy sy ny FIkambanana FAmpivoarana TAntsaha na ny FIFATA. Tsiahivina fa nisy ny fampirantiana maro samihafa nandritra izany narahin’ny fizarana fitaovam-pambolena , karatra ho an'ireo mpamokatra purpa, fampirantiana nahandro, sy ny ady hevitra mahakasika ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy sy ny agroekologika, fambolena mifanaraka amin’ireo karazana toetr’andro misy.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahina omaly tany Talata Volonondry !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap