olona 4 isam-bolana raha kely ho fampandehanana ny fiainana. 25.000 Ar no hampiasaina isan’andro mba hividianana sakafo, raha araka ny resadresaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray. Dimy kapoaka sy tapany ny fotsim-bary tsy maintsy vidiana isan’andro. Iray kapoaka sy tapany handroana amin’ny maraina, 2 kapoaka amin’ny atoandro raha 2 kapoaka ihany koa amin’ny hariva. Banga 5.500 Ar ny vola amin’izay raha hividianana menaka sy anana ary saribao kosa ny 4.500 Ar. Ny 15.000 Ar ambiny indray hividianana hena fahefany ny 5.000 Ar. Hataon’ny Ray aman-dReny saran-dalana mandroso sy miverina ny 5.000 Ar raha hividianan’ny ankizy ody ambavafo sy hataony saran-dalana mandroso sy miverina mankany an-tsekoly kosa ny 5.000 Ar. Manome 750.000 Ar isam-bolana io kajikajy tsotsotra. 100.000 Ar indray hatokana mba hividianana fanafody sy entina mandeha dokotera raha sanatria misy tojo tsy fahasalamana. Ny 100.000 Ar hividianana karazana kojakoja toy ny fanamian’ny mpianatra any an-tsekoly raha misy fety tampoka, ny sceau mety vaky ao an-tokantrano…Ny 100.000 Ar indray tsinjaraina mandritra ny 4 herinandro mba hanaovana sakafo miavaka rehefa faran’ny herinandro ohatra…Ezahina hatao solika ho an’ny fiara na moto kosa ny 150.000 Ar raha manana miampy ny fanamboarana madinidinika tsy maintsy hatao. Ny 400.000 Ar ambiny kosa handoavana hofantranon’olona 200.000 Ar raha hofan-jiro sy ranon’ny JIRAMA ny 100.000 Ar. Handoavana ny saram-pianaran’ny mpianatra ny 100.000 Ar. Nambaran’ity Renim-pianakaviana ity moa fa mbola tena mihafy izany mandany 1.600.000 Ar izany amin’ny ankapobeny ho an’olona 4 mianaka.
Pati
Legende : Tsy ampy amin’ny fampandehanana ny fiainan-dRamalagasy amin’ny andavanandro ny vola hitany sy ny karama raisiny !
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny