airtel

Sosialy

20-août-2024

Vidin-tsakafo etsy Sabotsy Namehana

Efa avo roa heny amin’ny eto Antananarivo renivohitra

Sample post image

Tsy miala lavitra an’Antananarivo renivohitra fotsiny fa kaominina hafa manodidina toy ny etsy Sabotsy Namehana

20-août-2024

dia efa avo roa heny amin’ny aty an-drenivohitra na maherin’izay aza ny vidin-tsakafo. Velon-taraina mihitsy ny renim-pianakaviana iray izay vao nifindra monina eny an-toerana, volana vitsy lasa izay. Raha mbola azo atao, hoy izy, ny miakatra any an-drenivohitra no miantsena dia aleo any rehefa manam-potoana. Ny vidina Brokolia na «Brocolis» iray izao aty 3500 Ariary nefa eny Andravoahangy mbola 1500 Ariary. 2000 Ariary aty, atsasan-kilaona frezy no azony nefa any an-drenivohitra 1 kilao. Ny vidin’Akondro ihany angamba no mba itovian’ny aty sy any an-drenivohitra, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Ny kilaon’ny akoho aty Sabotsy 30.000 Ariary nefa eny Besarety mbola 20.000 Ariary na 24.000 Ariary fara faha lafony, hoy kosa ny raim-pianakaviana iray. Anana sy salady moa, amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana voaray, no tena vokatra eny amin’ity kaominin’Ambanivohitra anaty distrikan’Avaradrano ity. Saika eny Anosibe avokoa no fakan’ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-toerana entana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap