airtel

Sosialy

24-juin-2024

Vidin-tsolika tsy maintsy hiakatra

Mizaka ny tsy eran’ny ainy ny Malagasy…

Sample post image

Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI ny 21 jona lasa

24-juin-2024

teo ny fisitrahan’i Madagasikara ny Famatsiam-bolan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) mitentina 337 tapitrisa dolara sy ny FRD (Facilité pour la résilience et da Durabilité) 321 tapitrisa dolara, tohana ao anatin’ny 3 taona eo. Henjana anefa ny fepetra takiana ho an’i Madagasikara ao anatin’io satria am-polony mahery ny tsirairay. 3 tamin’ireo fepetra mialoha no vita mba hahazoana ny ity fifanarahan’ny FEC sy ny FRD ity dia ny: fanendrena tale jeneralin’ny Jirama, fananganana ny lalàna momba ny tetibola vaovao ho an’ny taona 2024, ary ny fametrahana rafitra fanitsiana mandeha ho azy ny vidin-tsolika, ary ny fanomezana antoka fa ny fanampiana ilaina amin’ity rafitra ity dia ho tafiditra ao amin’ny tetibola. Fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ; fametrahana ireo fepetra rehetra hahafahana miditra amin’ny fanintsiana mandeha ho azy ny resaka fanintsiana ny vidin’ny solika ; fametrahana ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Isan’ny goavana ny fepetra momba ny resaka vidin-tsolika, izay natsofoka moramora tany amin’ny resaka tontolo iainana hahafahana misitraka ny FRD, dia fanenana ny fipariahan’ny entona mangeja, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanafoanana tsikelikely ny fanohanana ara-bola na « subvention » amin’ny « pétroles lampants » ka tokony ho vita tanteraka amin’ny aprily 2026. Hampitoviana ihany koa ny hetra na «droit d’accise » alaina amin’ny gazoala sy ny lasantsy sy gazoala satria amin’izao dia mora kokoa ny hetra alaina amin’ny gazoala, ka mahatonga azy mora kokoa amin’izao, raha ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Anisan’ny ezaka raha ny nambaran’io Minisitra io ny hitovizan’ny gazoala sy ny lasantsy ao anatin’izany mba hiarovana ny tontolo iainana satria tena anisan’ny manimba ny tontolo, kanefa ny 60% amin’ny fiara eto Madagasikara dia mandeha amin’ny gazoala avokoa. Hatramin’ny oktobra 2026 no tsy maintsy hanatanterahana an’io.
SOLIKA MIAKATRA, VIDIM-PIAINANA MIDANGANA…
Noho ny fepetra apetraky ny FMI, hisy fiovana manomboka amin’ny enim-bolana faharoan’ity taona ny vidin-tsolika, raha ny nambaran’ny Minisitry ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo. Miankina amin’ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny ho vidin’izany eto amin’ny tsena anatiny. Mba handaminana ny saim-bahoaka, dia nambara fa tsy mbola ny vidiny tena izy no hampiharina fa ferana ho 200 Ariary isaky ny litatra ny fiakarany na ny fidinan’ny solika araky ny fepetra napetraky ny FMI. Atao manaraka ny onjany fiovaovana, ka noferana 200Ar. Raha ohatra ka 500Ar ny fiakarana ohatra, dia tsy izay no hamerana azy fa 200Ar. Tanjona ny tsy hisian’ny fiantraikany amin’ny volam-panjakana, ary atao miovaova ilay vidiny fa tsy ferana intsony, hoy ny Minisitry ny angovo. 72 miliara Ar ny volan’ny Kaompania amin’ny Fanjakana hatramin’ny volana mey teo, elanelam-bidy teo amin’ny vidin’ny solika teo amin’ny vidiny teny amin’ny mpaninjara sy ny tokony ho vidiny, izay ny Fanjakana no nanentsina azy. Ny vidin-tsolika amin’ny volana M dia ahitsy ho azy araka ny fiovan’ny vidin-javatra fototra amin’ny volana M-2 sy M-1, izany hoe : ny volana nitsahina. Raha mihoatra ny 200 Ar ny fiovana, dia hatao amin’ny volana manaraka ny fanitsiana. Io fanitsiana io dia mety hiakatra na hidina, hoy ny Mokhtar Benlamine. Mahakely finoana ny fidinany raha ny efa hita teto Madagasikara hatramin’izay, ary efa tany ambanin’ny 10 dolara aza ny barila tamin’ny covid-19 fa tsy nisitraka ny Malagasy. Vao miakatra ny solika, dia miakatra ny vidim-piainana ankampobeny, kanefa tsy manam-bahaolana mahomby ity fitondrana ity, raha tsy hilaza afatsy ilay resaka bus 1000 nanidintsidina rehefa nirefotra ny fiakaran’ny vidin-tsolika nanomboka ny 11 jolay 2022 niakatra 1500Ar isaky ny litatra,... Henjakenjana ny miandry ny Malagasy !
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap