airtel

Sosialy

02-oct-2024

VOAHANGY, RENIM-PIANAKAVIANA MPIKAPO-BATO

Hazakazaka ny tontolo androny, sady mitaiza

Sample post image

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olona tsirairay avy.

02-oct-2024

Anisan’ireny i Voahangy Renim-pianakaviana, niteraka 4 mpikarama mikapo-bato eny amin’ny bibilava. Tahaka izao ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana taminy. Avy aiza ianareo dia nanomboka hoviana no niasa nikapo-bato tety ? Avy any Antsirabe izahay ary mpihavy no eto Antsobolo. Efa efa-taona izay no nanaovanay ny asa fikapoham-bato. Mifoha amin’ny 06 ora maraina aho isan’andro manao ny keninkenina rehetra ao an-tokantrano ary mitohy amin’ny asa fikapoham-bato izany manomboka amin’ny 07 ora maraina. Mahavita firy daba ianao isan’andro dia mahazo ohatrinona ? Mahavita telo daba isan’andro aho hatramin’ny 4 ora hariva. Mihoatra kely io rehefa tsy mianatra hariva ireo zanako roa 10 taona sy 14 taona. Mahazo 9.000 Ar eo ho eo izahay amin’izany satria 3.000 Ar no hividianan’ny olona ny vatokely iray daba ety aminay ety. Ampy ihany ve le vola azonareo isan’andro ? Tena tsy ampy noho ilay fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Isaorana an’Andriamanitra rehefa mba misy vary 4 kapoaka hohaninay 6 mianaka isan’andro miampy saribao kely. Dia tsy azo hatao antsirambina ihany koa ny solitany hanaovana jiro amin’ny alina fa tsy misy jiro izahay ety. Dia ny ambin’izay no hatao laokakely. Mpanao lava-drano mantsy no mba asan’ilay vadiko ka indraindray koa tena tsy misy mpanakarama izy. Dia ahoana no handaminanao ny fandrahoan-tsakafo sy ny fitaizana ? Efa zatra ilay asako mikapo-bato ilay zanako kely 2 taona farany dia apetraka eo izy dia tsy mitomany. Rehefa te-hinono ihany izy vao mitomany. Mitsoriaka kely manaingina sakafo aho eo anelanelan’izay. Rehefa tsy mianatra maraina moa ireo zanako lehibe dia mifanampy eo izahay.
Pati
Legende : Tahaka izao ny asa hatrehin’ny Voahangy isan’andro tsy misy andavanandro sy faran’ny herinandro intsony !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap