airtel

Sosialy

28-août-2024

Vokatry ny fahantrana lalina

Mihabetsaka ireo mitrosa vary masaka eny amin’ny hotely

Sample post image

Mihabetsaka ireo olona mitrosa vary masaka eny amin’ny hotely amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

28-août-2024

Raha ny 10%-n’ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa manakaiky ireny hotely tsotra fisakafoanana ireny no tena nanao izany teo aloha dia efa mahatratra 50% ankehitriny. Raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia vokatry ny fahasahiranana sy ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Ny fidiran’ny mpianatra aloha hatreto no nambarany fa tena mampikaikaika ireo mpiasa tonga mitrosa sakafo ao aminy. Amin’ny ankapobeny dia 2.000 Ar isan’andro eo ho eo ny vary masaka trosain’ny mpiasa iray, hataony sakafo atoandro. Handoavany 40.000 Ar isam-bolana izany rehefa faran’ny volana hialan’ny andro Sabotsy sy Alahady. Nanomboka ny volana Jolay lasa teo no niainan’ity Renim-pianakaviana mpivarotra ity izany trosan-tsakafo hataon’ny mpiasa izany. Nomarihiny manokana moa fa misy mandoa ihany ny sasany amin’izy ireo raha manjavona tsy hita intsony kosa ny sasany. Voatery nandray fepetra tsy manome ireo tsy hatokisany intsony vokatr’izany ity Renim-pianakaviana ity. Manahy ny hahafaty ny tsenany ihany koa mantsy izy raha mitohy ny fitserana tsy miato ireo olona sahirana tonga manatona azy.
Pati
Legende : Na ny sakafo masaka tahaka izao aza efa trosain’ny Malagasy amin’izao !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tena difotry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fananan’asa

Card image cap
16-oct-2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Card image cap
16-oct-2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Card image cap