na mivaky loha momba ny fiainam-pirenena. Amin’ny ankapobeny dia noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina olom-pirenena nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana. Ny fampandehanana ny fiainana isan’andro aloha no tena mamaky loha azy ireny dia tahaka izay hatrany. Tena zava-doza anefa izany olom-pirenena tsy mandray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena izany.
Lolona : Ny ahy aloha ilay miatrika ny fiainana isan’andro mihitsy izao no tena mahavaky ny lohako eh ! Aiza indray no ahitana ny hanina hohanina androany, ahoana ny hofantranon’olona, ahoana no hatao raha sanatria ka marary, ahoana ny hanefana ny trosan’olona….Tena sarotra anie ilay fiainana eh. Na kely na betsaka vola hita dia tsy ampy foana. Tena mangidy hany ka tsy ao anaty fandaharam-potoana intsony ilay handinika ny fiainam-pirenena.
Vero : Mba manokana fotoana ho amin’izay ihany aho fa kely. Rehefa faran’ny herinandro ohatra mijery ny hataon’ireo mpanao politika marobe eto amintsika, ny fisondrotry ny vidim-piainana izay tena tsy voafehin’ilay fanjakana intsony mihitsy….Na izany aza dia hitako hoe : tsy afa-manoatra ny manidina. Na mahita zavatra tsy mety marobe aza dia variana amin’ny fitadiavana eh ! Voafatotry ny fahasahiranana dia mandeha eny ihany ny fotoana. Tsy maintsy mihinana mantsy ilay ankohonana isan’andro. Ny vary koa efa 1100 Ar ny iray kapoaka.
Pati
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana aina tamin’ny faraparan’iny
Rehefa misy ilàn’ny fitondràm-panjakàna ny sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana
Naha onena mpanara-baovao maro ny nahazo ilay rangahy tsy nahatana
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny